Rivotiana Jean Bosco

“Safidy ny ahy ny hiverina ho solombavambahoaka”


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Hiverina any amin’ny distrika iadidiako aho, hoy ny minisitry ny asa sy asam-panjakana teo aloha,

Rivotiana Jean Bosco, satria safidy ny ahy ny hiverina ho solombavambahoaka. Izay, hoy izy, no nifanarahako tamin’ny olona. Ny fampandrosoana dia fanamafisana ny fandriampahalemana. Ny famerenana ny fampananan’asa ny olona, ny fanofanana ny olona mba hiasa sy hahay hiasa sy hahay hitantana, indrindra, ny fampandraisana anjara ny olona amin’ny fampandrosoana izay atao ary fanentanana ihany koa eo anivon’ny kaominina mba hisy tanàna tsara tantana eny anivon’ny kaominina. Izay moa no novoiziko hatramin’ny ela amin’ny fampandrosoana ny kaominina eny anivon’ny distrika aloha, indrindra, anivon’ny distrika iadidiako. Toy izany koa tao amin’ny minisitera. Hajaiko ilay nifidianan’ny olona ahy ho solombavambahoaka mandritry ny 5 taona. Nisy fotoana aho minisitra satria mpiasam-panjakana koa ny tena ary nantsoin’ny filoham-pirenena hisehatra anatin’izany aho dia nahita hoe adidy tokony ho raisina koa izany. Ny saina no vahaolana voalohany indrindra. Hampianarina hampiasa ny zava-misy ao aminy ny olona. Amin’ny fiafaran’ity herinandro ity sy amin’ny herinandro ambony dia hisy fampiofanana ataonay. Efa nisy an’io foana hatramin’izay ary mbola ho atao indray izany ho an’ireo olona any an-toerana, ho an’ireo mpitarika ary ny vahaolana iray koa izay napetraka teo anivon’ny minisiteran’ny asa moa dia ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tsy miankina. Ho apetraka izy io ary hitohy ny fametrahana izany anatin’ny 2 taona eto Madagasikara. Mila jerena ny fahasalaman’ny olona, ny hoaviny raha tratran’ny loza amin’ny asa izy na mijanona amin’ny asa noho ny fahalehibiazany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT