Rivo Rakotovao

Voasakan’ny Pro-Siteny tsy hitondra ny anarana Firaisankina


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Niitatra ary tsy nety niravona ny fifandirana teo amin’i Rivo Rakotovao izay nanantena ny

hitondra ny anaran’ny Vovonana Firaisankina sy Afakandro Christian izay nanosika kandida amin’ny alalan’ny Pro-Siteny. Nanao fanoherana an’io teny amin’ny CENI mantsy ny ekipan’ny Pro-Siteny satria voalaza fa tsy neken'i Siteny Randrianasoloniaiko hatramin'ny farany ny hoe ingahy Ravalomanana irery no nanao sonia ny taratasy nanendry an'i Rivo Rakotovao, ka nandeha ny fitoriana teny amin'ny CENI. Vokany, nilatsaka ny didy fa tsy afa-mampiasa ny anarana « Firaisankina » na ny andaniny na ny ankilany. Voalaza fa mazava tsara ny sata nananganana ny Vovonana Firaisankina fa i Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko no miara-manapaka sy manao sonia rehefa misy fanapahan-kevitra hatao. Arakaraka ny tanjaky ny antoko amin’ny toerana iray no handrotsahana kandida ka nilazana fa ny Pro-Siteny no matanjaka ao Mahajanga satria manana ny depiote Afakandro Christian. Miteraka adihevitra ihany koa anefa ny kandida atolotry ny Pro-Siteny izay voalaza fa olon’ny IRMAR ihany ka tonga hatrany amin’ny fifampiampangana ho misy mpamadika ao anatin’ilay vovonan’ny mpanohitra iray io, miverina hatrany amin’ny raharaha Collectif des candidats nialohan’ny fifidianana 2023 izay ny fandehanan’ny kandida iray nandeha nanao propagandy no lasa nanome vahana an’ilay kandida tokana notoherina, hoy ny feo avy any anatin’ny fanoherana sasany. Henjana ilay politika !?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT