Politique

Rivo Rakotovao « Tsy mino aho hoe tsy nifanarahana ilay latsa-bato »


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Naneho hevitra tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM omaly hariva, mikasika ny toe-draharaha ara-diplaomatika nanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny.

Io minisitra io izay voalaza fa nandray fanapahan-kevitra tamin’ny anaran’ny tenany manokana tsy nahazo tsondranon’ny Filoha tamin’ny fanamelohana an’I Rosia. "Izaho dia tsy anisan’ny olona mino mihintsy hoe tsy nifanarahana, tsy nifanekena raha tsy hoe efa tsy Fanjakana na tsy misy maha fanjakana azy intsony, izany hoe: eo amin’ny lafiny fibaikona . Aza hadino fa mbola averiko fa ireny lahadinika amin’ny sehatra ohatr’ireny efa farafahakeliny 3 andro na 4 andro mialoha dia efa fantatra”, hoy ity mpanao politika efa Filoham-panjakana teo aloha ity. Manontany izany ny olona any hoe: inona ny hevitsika ary ilay hevitsika io dia ny filohan’ny Repoblika, fa raha tsy izay no tanterahina dia lasa “fusible” izany ilay olona izy, izany ilay hoe voatora-bato dia tsy nisy niaro izy satria sarotra ihany ny hinoana amin’ny firenena hoe misy Minisitra iray …dia miala tsiny amin’ny fitenenana hoe manao izay saim-patany… ", hoy Atoa Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT