Politique

Rivo Rakotovao “Natao hihaino ny fitarainan’ny olona ny loholona”


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Natao hihaino ny fitarainan’ny olona sy ireo vondron’olona na antoko politika hafa, ny mpahay toekarena, ny ara-tsosialy sy ireo olona hitondra hevitra hanatsarana ny faritra misy azy tsirairay avy ny antenimierandoholona.

 

 

 

Nambaran’ny filohan’ity andrimpanjakana ity, Rivo Rakotovao fa vonona ny hifampiresaka ary azo hiadian-kevitra ny soson-kevitra entin’ireto sarangan’olona nitaraina sy nitondra ny hetahetany teny amin’ity lapa ity, hoy izy. Araka ny fanazavana azo, dia nitsidika tamim-pomba ara-panajana ny filohan’ny antenimierandoholona Atoa Rivo Rakotovao, ny vovonana Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM, notarihan’ny filoha lefitra ny pasitera Edouard Tsarahame, nandinihana ilay volavolan-dalàna nolanian’ny depiote teny Tsimbazaza, andro vitsy lasa izay. Nambarany fa tsy atao eny an-tsisin-dalana  akory ny sata mifehy ny mpanohitra, fa tokony hatao ara-dalàna ny fandinihana izany, izay vao holaniaa. Ilaina ny fifampiresahana, ka antony nihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ity andrimpanjakana ity izany. Mbola hodinihan’ireto mpikambana ao amin’ity lapa maitso ity  io lalàna mifehy ny mpanohitra io, vao holanian’izy ireo amin’ny fivoriana manaraka fa tsy atao tefy manta ny fandaniana io volavolan-dalàna hifehy ny mpanohitra io, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT