Rivo Rakotovao

«Efa tsy misy Fanjakana intsony izany eto… »


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Hanova zavatra ve ny fisamborana mikasika ny raharaha Boeig 777!?

Izany tokony handeha saingy tsy hahatakona zavatra sy ny halehiben’ny zavatra mitranga eto amin’ny Firenena. Ilay fitondram-panjakana mihitsy no mirodana sy mianjera », hoy Atoa Rivo Rakotovao. Nahitsy ny tenany nilaza, fa efa miteny an’ireny ny Praiminisitra dia toa horaisina mihitsy izany fa tany tsy misy Fanjakana intsony eto fa samy nanao izay tiany hatao, kanefa sarotra be ny hino an’izany. Ny fanadihadiana dia zavatra tokony handeha fa ho tonga hatraiza ? Hamafisinay aty amin’ny fanoherana hoe : izao ve no mahazo antsika ? Isika izao anatin’ny mangataka farahafaharatsiny amin’ny Amerikanina ny AGOA izay fantatsika ny fiantraikan’izany eto amin’ny Firenentsika. Efa fantatsika ny fahantran’ny Firenena kanefa raha mbola hifanojo an’izany noho ny hadalan’ny mpitondra dia ho aiza ny Firenena Malagasy ? hoy hatrany i Rivo Rakotovao. Any, hoy izy, ny zava-dehibe hoe : aiza no hanasarahana an’izany, aiza ireo vondron’olona eto Madagasikara hampiseho hoe : aza ny vahoaka Malagasy no saziana araka ny nambaran’ny prezidan’ny MMM Hajo Andrianarivelo, fa ireo olona izay mivandravandra be ankehitriny ny porofo rehetra fa raharaha tsy fahombiazam-panjakana io mba tsy hilazana hoe : izao no fomba fitantanana. Nilaza izy ireo fa tsy diso nijanona amin’ny fanoherana satria efa fantatra ny fanaon’ny Fitondrana, ka rehefa tonga ny fotoana dia milaza fa tsy izaho. Mety tsy ianao mivantana no nanao sonia fa izay ilay hoe tompon’andraikitra, hoy i Rivo Rakotovao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT