Rivo Rakotovao

«Efa tena manara-penitra ny fahantrana»


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Malahelo sady tezitra, hoy ny filohan’ny antenimieran-doholona teo aloha, Rivo Rakotovao.

Ao amin’ny hopitaly militera "HOMI" Soavinandriana «maternité» dia tsy misy rano, hoy izy omaly tolakandro. Mitaraina daholo ny mpitsabo, ny reny tera-bao. Handeha hanatitra rano amin’ny "bidon jaune" na zerikanina any aho izao. Ianareo mpitondra aza lany andro amin’ireo zavatra tsy laharam-pahamehana fa efa tena manara-penitra ny fahantrana, ny Loto, ny tsy fandriampahalemana. Potika ny firenena. Jereo i Antananarivo! Sao lazaina indray hoe «atteinte à la sécurité intérieure» na fanohitohinana ny filaminana anatiny sy ny «incitation à la haine et au désobéissance» na fiantsiana fankahalàna sy fikomiana nefa ianareo no mampijjaly vahoaka toy izao. Ianareo no mitondra dia ahoana, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT