Politique

Rivo Rakotovao “Efa ny Banky foibe angamba no vaky vao ho taitra ?”


  • Zoma 23 Septambra 2022

“Malahelo satria olona efa any am-ponja 4 taona ve dia manao “atteinte à la sûreté intérieur de l’Etat”? Mbola ilay zandrinay ihany ve no lazaina fa manongana ity Fanjakana ity, Fanjakana matanjaka be io.

Ataovy ny fitsarana, alefaso ka raha meloka izy izahay tsy mpitsara, fa ny mampalahelo dia ny mizana tsindrian’ila satria iarahantsika mahalala ny zavatra misy eto amin’ny firenena”, hoy Atoa Rivo Rakotovao omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaha fisavana ny tranon’ny mpandraharaha Mbola Rajaonah, izay mpanolontsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Notsipihiny fa tena misy ny mizana tsindrian’ila eto, ary vitavita ho azy hatrany ny afera mety mahasaringotra olon’ny fitondrana. “Ny mampalahelo fotsiny dia ny hoe: ahoana ny hieritreretantsika Malagasy fa volamena ao anatin’ny “coffre fort”-n’ny Fanjakana no manjavona dia tahaka ny hoe: “faits divers” tsotsotra izany. Ny farany angamba rehefa ny Banky Foibe no vaky vao ho taitra hoe: iza tokoa izy ity fa ohatran’ny mandalo kely tahaka ny zava-drehetra. Misy moa ny fanodinkodinana saim-bahoaka mandalo kely isan-kerinandro, manao an’izao sy izao…”, hoy hatrany izy. Notohizana aza, fa “mbola miampy ilay Praiminisitra miteny hoe: efa tamin’ny andron’ny HVM io no very, ianao izany sanatrian’izany fa tsy izany no “gardien” na “magasinier” no hiteny hoe io anie efa very taloha nefa izanao no eo, dia ianao no voapaingotra voalohany amin’izany. Tsotsotra amin’ilay mpitondra ny miteny tahaka izany hoe: tsy tamin’ny andronay fa tamin’ny HVM, hay efa fantatrao fa very ilay izy, fa ny taty aoriana no tsy nahatanty an’ilay izy dia namoaka hoe: tsy ato intsony, fa izay nifandimby tao dia tahaka ny hoe: tsy tao ilay izy fa avelao aza miteny fotsiny amin’izao no andraisanay azy”. Naneho ny Mpandrindra Nasionalin’ny HVM fa tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana, fa mahita kosa fa misy fitongilanana, misy herisetra atao, kanefa misy ny sasany na indray maraina aza tahaka ny resaka volan’ny covid-19 tsisy tohiny, kanefa sesilany ny filàna fanazavana tamin’ny fitantanana an’io, fa tsy mihetsika amin’izany ny fitondram-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT