Azo raisina ny fitorian’ny solombavambahoaka manoloana ny fitoriana noho ny resaka kolikoly goavana tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana, hoy ny Bianco.
Mitady sy miandry ny porofo rehetra, toy ny antontan-taratasy samihafa ny Bianco amin’izao fotoana. Niaka-pofona sy nanitrikitrika kosa ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao omaly fa mpandainga ireo depiote nanao samboady nanatitra fitoriana resaka kolikoly teny amin’ny Bianco sy taratasy teny amin’ny HCC. Manahirana ny mijery ireny sary ireny, hoy hatrany ity filohana andrim-panjakana ity. Ny Bianco aza tsy nanda sy tsy nanosi-bohon-tanana ny fitoriana, ka mahagaga ihany ilay fihetsik’ingahy Rivo Rakotovao mananganam-bovona fa tsy miandry ny fanadihadiana hizotra an-tsakany sy andavany dia ho hita eo ny tena marina. Hohetraketrahina, toy ny fihetsika tsy mendrika nataon’i Riana Andriamandavy, loholona HVM indray ve ny Bianco na hosoketaina any anaty facebok raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny sain’izy ireo ny valin’ny fanadihadiana eo ? Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nisy depiote vitsivitsy nanatitra vola 40 tapitrisa ariary avy tamina banky iray teto an-drenivohitra andro vitsy taorian’ireny resaka kolikoly malaza ireny. Tsy misy takona izay tsy hiseho, ary mbola mety ho avy ny ampamoaka manaraka
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.