Politique

Rivo Rakotondrasanjy - FIVAMPAMA Nanome hafatra ho an’ny Filoham-pirenena


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Raha mba azo atao, hoy ny filohan’ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy na FIVMPAMA, Rivo Rakotondrasanjy,

talohan’ny hikabarian’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ny faran’ny taona teo, dia aza miresaka fampanantenana aminay. Aza alaim-panahy izay ho voatery hanazava na hanamarina ny antony mbola mahatonga antsika ao anatin’izao toe-draharaha izao, hoy izy. Izany mantsy dia mety hampitombo ity fahasorenana vesarin’ny olana ara-tsosialy sy toekarena ity. Efa natao avo dia avo ny fampanantenana, 5 taona lasa izay fony ianao mbola vao nampahafantatra fotsiny fa hilatsaka ho filohan’ny repoblika eto amin’ny firenentsika. Nampanonofy ireo very fanantenana ianao tamin’ireny fa namboly ahiahy tao anatin’ireo mbola manana tongotra miteha-tany kosa. Nilaza ianao fa efa niomana ary mbola tsaroako mandrak’anio. Eny, tetezamita 4 taona. 5 taona niatoana ho fiomanana. Tsy manana fialana intsony ianao raha ny tena marina .Raha atao mahitsy kokoa ny resaka dia ny hoe tsy afaka miala bala intsony ny filoha ankehitriny amin’izay tsy fahatomombanana sy zavatra tsy vita satria efa nahazo 4 taona be izao nitantanana an’i Madagasikara ary efa izy sy ekipany irery no teo. Ny andrasanay aminareo izao dia hoe ahoana no hitantananao ny 9 volana hoavy raha toa mbola miheritreritra handresy lahatra fa ianao ilay olon’izao toe-draharaha izao na koa hoe ahoana no hitondranareo ny 12 volana ho avy raha te hiala am-boninahitra? Mandra-piandry izany rehetra izany dia mirary soa anao sy ny fianakavianao ao anatin’izao fahazoana taona vaovao izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT