Politique

Rina Randriamasinoro “Toherinay ny tetezamita, alefaso ny fifidianana madio”


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Nanamafy ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekrtera Jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro omaly, fa mitaky ny hisian’ny fifidianana madio sy fanajana ny lalàmpanorenana.

Iny fiantsoana ny mpifidy iny, hoy izy, no fiaingana voalohany hahafantarana fa hisy fifidianana eto Madagasikara ka ny CENI no tompon’andraikitra voalohany fa tsy ny Fanjakana. Nanamafy ny tenany fa mitaky fifidianana izy ireo, tsy misy antony hafa mihitsy ny fihaonana iarahana, ary mazava ny resaka fa manohitra ny hisiana tetezamita ny rehetra hiarahana amin’izao fitondrana izao. Raha toa ka misy ny mikendry izany, dia anjaranay ny manao arofanina iarovana ny amin’izany, ka tsy fifidianana madio fotsiny, fa tena hitaky ny fepetra rehetra hisian’izay fa tsy ho mpanara-drenirano, hoy izy. Ho avy hanatrika ny fampihaonana ataon’ny CENI rahampitso 27 jolay satria izy no mpikarakara ny fifidianana ka ilaina ny fifampiresahana aminy sy hametrahana ireo zavatra takiana, izay misy ny mety tsy ilàna fanovana lalàna sy tsy ilàna fitondram-panjakana. Fifidianana madio no takiana, ka ho hita eo raha tsy hanao izany ny CENI, fa izahay ho avy ary tsy maintsy hametraka izay fitakiana izay, hoy hatrany I Rina Randriamasinoro. Anisan’ny azo hatsaraina tsy mila Fanjakana sy fikitihana lalàna ny fitantanana ny haino aman-jery satria rehefa tsy mbola mitsangana ny ANRCM (Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée), dia afaka mandray fanapahana amin’izay hifampitondrana ny CENI; ny resaka “pré-campagne” rehefa tsy misy fanapahana mamaritra izany na dia efa voalaza mialoha ao anatin’ny 2018-008 aza, dia afaka mandray fanapahan-kevitrany CENI, hoy I Rina Randroamasinoro. Momba ny lisi-pifidianana manokana, nomarihin’ny TIM fa betsaka ny fanatsarana azo atao. Ny didim-panjakana navoaka, dia fanavaozana manontolo, kanefa na ny tetiandro aza tsy voahaja. Na izany na tsy izany, nisy ny vokatra azon’ny CENI, fa mbola azo hatsaraina, voafaritry ny lalàna ny fanoratana anarana mandeha ho azy na “inscription d’office”, hoy ny TIM. Raha 7 tapitrisa ohatra ny isan’ny mpifidy, kanefa rehefa jerena lasa 6 tapitrisa, dia azo atao ny manoratra azy rehefa ifanarahan’ny rehetra, mba hialana amin’ireo olom-pirenena tsy taitra kanefa te hifidy amin’ny ora farany kanefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Nambarany fa Azo ifampiresahana sy hitondrana vahaolana rehefa manana finiavana hiroso amin’izay ny rehetra. Momba ny fahatongavan’ny iraky ny SADC, nambarany fa mbola tsy tonga ny fiantsoana ny TIM. Naneho kosa izy fa misokatra amin’ny fifampiresahana ny TIM, ary tsy mivoaka amin’ny raharaham-pirenena, mitady vahaolana ahafahana miala amin’izao olana sy fahantrana izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT