Rina Randriamasinoro

Hotsaraina anio, hatao sorona politika?


  • Zoma 13 Oktobra 2023

11 andro aty aorian’ny nisamborana azy ny 2 oktobra teo, mbola voatazona eny amin’ny Tobin’ny zandary eny

Fiadanana ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Atoa Rina Randriamasinoro hatreto. Tsy mbola fantatry ny mpiaro azy mazava ny antony mbola tsy hanolorana azy ny fitsarana hatreto, raha ny loharanom-baovao. Raha tsy misy ny fiovana, anio no fantatra fa hiakatra fampanoavana ity Sekretera Jeneralin’ny TIM, izay tsiahivina fa nosamborina teo Andohanan’Analakely ny 02 oktobra, raha izy nipetraka teo ambony vato niaraka tamin’ny namany. Loham-piampangana azy ny hoe: nitarika olona hidina an-dalambe tsy nahazoana alalana, fivorivoriana, faniratsirana sy fanompana mpitandro filaminana,… Ny horonan-tsary maneho ny fisamborana kosa anefa tetsy andaniny, dia tena olona nipetraka tsara, tsy tao anaty vahoaka na koa sakoroka, tsy nifamaly tamin’ny mpitandro filaminana,… Nandeha ny resaka fa nialangalana tsy handray ny dosie ny mpitsara satria tena tsy mahita hoe: inona marina ny antony nisamborana sy hitazonana azy. Ny mpisolovava rahateo efa naneho, fa tsy tratra ambodiomby na “en flagrant délit” ity farany, ary raha misy raharaha hafa tena hanenjehana azy dia tokony misy fampiantsoana na didy fampisamborana avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna. Tamin’ny fahitalavitra iray kosa moa no nahitana ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara nilaza fa tsy mbola nandray taratasy momba ny fandavan’ny mpitsara io raharaha io izy ireo, tsy mbola naheno hoe: misy ve ny fandavana na tsia nataon’ny mpitsara izany. Ny nanao ny fisamborana no afaka mamaly izany hoe: tsy nandray izany ve ny mpitsara? hoy izy. Fifidianana madio sy milamina ary ao anatin’ny fitoniana inona moa no handeha eo anatrehan’ny hoe: Sekretera Jeneralin’Antoko izay mandrotsaka kandida filoham-pirenena mihitsy no samborina ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana? Hatao sorona politika ka hovesarana fanamelohana ve I Rina Randriamasinoro mba hoenti-manaporofo fa tsy fahadisoana politika sy tena nitombina ny fisamborana natao azy sy ny fitazonana folo andro mahery izay efa misy manasokajy ho “kidnapping”?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT