Revolisionina

Mbola nofy ririnina aloha hatreto ilay hoe : revolisionina nodradradraina sy


  • Talata 04 Jona 2024

nanaovana ny tsy fanao 15taona lasa, raha ny fanaovana politika sy fitantanana firenena no resahina.

Tena ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ny fivoizana ny fahalalahana sy ny demokratsia tamin’ireny, kanefa izao iaraha-mahita izao, fa tena navadika ho fonjabe mitafo lanitra i Gasikara. Ny fanaovana politika miha mitotongana andro aman’alina dia io iaraha-mahita io fa milomano tanteraka ao anatin’ny Fanjakana tan-dalàna sy ny jadona amin’ny endriny samihafa isika. Iza tokoa re no tsy mikaikaika eo anatrehan’ny zava-manjo ny firenena sy ny vahoaka ankehitriny e ! Eny fa na ireo notambazana sô sy koveta tamin’ny fifidianana teo aza anie, ka mba iantraikany e ! Izany fahalalahana ara-toekarena izany moa dia toa nofinofy satria izay orinasa Malagasy mba misongadina sy mivoatra betsaka no trongisina amin’ny hetra midangana. Ny valalabemandry moa iaraha-mahita, fa tototra ao anaty fahasahiranana, difotry ny vidim-piainana, kiviana amin’ny endriny maro mba hahafahana milalao ny fahalemeny sy manao fitaovana azy. Asa tokoa re na izaho no tsy mahari-pery sy toa maniry manitra toy ny alika miambozon-koditra fotsiny eto, manantena Rameva hiditra amin’ny vody fanjaitra ! Tsy afaka ny hiraviravy tànana sy hanetsetra lava eto anefa, fa ny fanatanterahana ny nofy ririnina tena hisian’ny fanovana, dia ny fandraisan’andraikitra dieny izao na inona na inona mety ho endrika isehoany !
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT