Nanoloana ny fanambarana nataon’ireo taranaka Andriana teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana tamin’ny andro nahatsiarovana ny nahamay ity farany dia namoaka fanambarana avy tamin’ny anaran’ny mpitondra teniny, Atoa Rakoarizafy Théodore ny Birao politikan’ny antoko AMF/3FM tarihan’ny Révérend Satrobory, mitaky ny hisian’ny fitsapankevi-bahoaka maika hametrahan’ny olom-pirenena ny safidy na ny Repoblika federaly , na ny Fanjakana tokana, na ny Fanjakana Andriamanjaka no lalàna fototra hitondrana ity firenena ity. Ity farany mantsy, hoy ny fanambarana, dia manasokajy ny hafa ho taranaka andevo. Izahay AMF/3FM kosa dia nihiaka hatrany am-boalohany ny hoe “Ho tonga anie ny fitovian’ny samy Malagasy”. Satria voizin’ny sasany ny adim-poko dia heverinay AMF/3FM, hoy ny fanambarana, fa ny kandidà Robinson Jean Louis no hanao ny fampihavanam-pirenena miaraka amin’ny FFKM sy ny filoha Zafy Albert ary satria mila raiamandreny hikarakara azy ny Renivohitr’i Madagasikara izay iombonan’ny Foko 18 manana ny fitoviana hahafoana ny fanavakavahana dia tsofinay rano ho kandidà Ben’ny tanàna eto Iarivo ny filohanay Révérend Satrobory na tokony ho nanao kandidà ho solombavambahoaka tao amin’ny Boriborintany voalohany aza. Araka ny fantatra dia manana kandidà depiote amin’ireo Faritra 17 ny AMF/3FM.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.