Rév. Andrianalijonh Satrobory

> Miantso ny tanora tsy ho tratry ny teti-dratsy hampisavorovoro


  • Zoma 03 Janoary 2014

Manao antso avo ho an’ny tanora ny tenako, hoy ny Rév. Andrianalijonh Satrobory amin’ny maha raiamandreny ahy, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy hampisavorovoro an’ity tanŕnan’Antananarivo ity sy ny ny firenena manontolo amin’ny fandraisana vola kely tsy hahavita taona etsy sy eroa.

Tena eo amin’ny kihon-dalana mampivarahontsana ny firenena ankehitriny, hoy izy, dia rangitina hifandramatra amin’ny ady an-trano ny vahoaka madinika nefa dia izy ireo ihany no hahita faisana raha sanatria mitranga izany satria dia ho maro ny ho kamboty tsy fidiny, ny ho mananotena tampoka fa ny mpanam-bola sy manampahefana tsy maintsy hahita lalana hitsoahana any ivelany. Aza matimaty amin’ny karama varimasaka ianareo, hoy izy, ka andeha hihogahoga fa mandresy ranona na koa tsy mahatanty izahay fa resy ranona. Ho an’ny miaramila indray kosa, aoka hiaro marina ny vahoaka sy ny fananany ianareo fa tsy ho baikoan’olom-bitsy eo amin’ny fitondrana. Asehoy fa olona manam-panahy ianareo ka tena ho tandroka aron’ny vozona marina fa tsy ho herim-pamoretana lava izao. Tsy mbola tara ny antsoko amin’ity andro ity, ho an’ny filohan’ny tetezamita izay efa niantso fitoniana sy fihavanana : alaivo atsy Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana dia miara-mitory izany fihavanana izany miaraka amin’ny mpomba anareo avy ianareo hisian’ny fitoniana eto. Fanontaniana kosa no hapetrany amin’ny Mgr Odon Razanakolona hoe : naninona no efa halohalika ny ranombary vao taitra ny FFKM ? Naninona no nangina foana hatramin’izay ?

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT