Politique

Resaka « tsy mitombona nefa noraisina » Tsy handrenesam-peo ny HCC teo aloha


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Gina, tsy handrenesam-peo ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC teo aloha,

manoloana ity resaka momba ny filoham-pirenena eto Madagasikara ankehitriny voatabataba ho tsy manana zom-pirenena malagasy fa frantsay nefa dia neken’izy ireo hilatsaka ho filoham-pirenena sy ho lany soa aman-tsara teto ity. Resaka tsy mitombona nefa noraisina izany no resaka eto, hoy ny sangisangy zaritenany ataon’ny mpanara-baovao. Aiza ny filohan’ny HCC teo aloha izay lasa toy ireny isan’ny ambalambahoaka ireny tao ho ao raha ninainaina tamin’ity resaka delestazy sy vidim-piainana ity teny anivon’ny tambazotran-tserasera rehefa avy nalaza fatratra tamin’ilay voambolana hoe «Azo raisina fa tsy mitombona» sy ilay fehezanteny hoe «Tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara»? Raha ny hatramin’ny omaly aloha dia tena tonga amin’ilay fomba fiteny hoe tsy re feo ary tsy nisoratra. Andrasana indray ny anio.
Légende : Jean Eric Rakotoarisoa no filohan’ny HCC tamin’ny fifidianana 2018
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT