Politique

Resaka ramatahora sy fandranohana Nametraka fitoriana ny MMM Amoron’Imania


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Nametraka fitoriana eny amin'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana any Fianarantsoa ny MMM antoko politika Malagasy miara-miainga any Amoron'i Mania,

tarihin'ny mpandrindra-paritra, ny Me Maminirina Josoa sy ny mpandrindra lefitra, Matsiatra Ambony, Rakonirina Bruno. Tafapetraka ny fitoriana momba ny fanakanana ny hetsika tany Fandriana raha nanaiky ny hanaovana izany ny ben'ny tanana nefa nolavin'ny sefo distrika, hoy izy ireo. Eo ny fitoriana fampiatoana ilay fandrarana na "Suspension de l'interdiction " ary ny fanafoanana ny fandrarana na "Annulation de l'interdiction". Tafiditra amin'ny asa sy adidin'ny antoko ny mihaona amin'ny vahoaka sy ny mpikambana mba hifanakalo hevitra manoloana ny raharaham-pirenena. Anton'ny nikasana ny hanaovana ny hetsika izany. Manamafy ny birao politika, Ratavilahy Andry, fa nanaraka ny dingana momba ny lalàna mifehy ny antoko politika ny ataon'izy ireo amin'ireny hetsika ireny. Anjaran'ny antoko politika ny manara-dalàna sy ny lalàmpanorenana, hoy izy. Nahazo alalana, tsy nisy sakantsakana ny hetsiky ny antoko manohana ny fitondrana. Anisan'izany ny Freedom teny Ivato ny 17 marsa sy ny tany Toamasina ny 14 aprily. Ny tany Vohemar ny 18 aprily ary ny tao Ambositra farany teo niantsoana ny filohan'ny Repoblika am-perinasa ho kandidà. Samy nisalotra ny akanjo famantarana ny TGV avokoa hatramin'ny filoha aza. Teo koa ny kabary politika. Anisan'ny niaro ny fahalalahana sy ny fahafahana maneho hevitra ny filoha Rajoelina Andry. Nivadika anefa izy ireo ary fomba fanao politika nilaozan'ny toetr’andro izany sady marika fa malemy ny fanjakana, hoy hatrany ny MMM. Tsiahivina fa tokony nihaona amin'ny vahoakan'i Fandriana ny mpitarika ny MMM ary nokasaina hatao amin'ny toerana voatokana izany. Fotoana koa io tokony ho nitsidihan'ny mpitarika ny MMM ny ben'ny Tanàna lany tamin'ny anaran'ity antoko ity, ao amin'ny kaominina Imito saingy izao tsy tanteraka izao. Tsy vitan'izany fa niharan'ny sakana sy ny ramatahora koa ny tompon'ny trano tokony hamorian'ny MMM ny vahoaka ao Ambositra anio ka voatery nafindra amin'ny toerana eny amin'ny Saha Mandrosoa, Ambohibary, any an-toerana ihany izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

J. Mirija

Legende : Ny Me Maminirina Josoa, mpandrindra-paritry ny MMM Amoron’i Mania

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT