Politique

Resaka politika Raikitra ny adin’i Voninahitsy sy Paolo


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Mihamafana ny sary politika, nifanitsoka sy nifamely ara-tserasera ny depiote Voninahitsy Jean Eugène sy ny Filohan’ny Sendikan’ny Administratera sivily Paolo Raholinarivvo ny faran’ny herinandro teo.

Nilaza ny depiote Voninahitsy mpitarika ny vovonana “Lera” tao amin’ny fahitalavitra iray, fa naniraka an’I Paolo handresy azy ireo ny Filoha Andry Rajoelina. "Asa moa na olona avy aminy na misandoka fa hoe avy any aminy Filohan’ny Repoblika i Mr Paolo. Mampiantso anareo ny Prezidan’ny Repoblika hanohana azy aminy fifidianana . Avy eo anefa izany dia mbola hiaraka amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Namaly azy hoe miala tsiny fa izahay tsy miditra aminy Izany. Raha mbola ny Praiminisitra Ntsay izay efa naloanay no ao dia tsy hiditra ao izahay fa ataovy Croix ny anay", hoy ny firesak’io depiote io. Namaly kosa I Paolo Raholinarivo nilaza fa hoe: “… Samy mpitolona isika, izao mbola tsy gadralava, olona mahitsy fa tsy fitadiavan-tseza sy toerana. Tononao matetika aho, marina fa nihaona sy niresaka tao amin’ny Colbert isika. Ny zavatra notenenina dia tsotra hoe: mandindona korontana ny zava-misy ka maninona ianareo raha miombona tsy hisy korontana mahakasika ny fifidianana”. Nambaran fa nilaza ho tsy manana olana amin’ny Filoha Rajoelina, Filoha Ravalomanana, Filoha Rajaonarimampianina, fa ny takianay dia ny fialan’ny Praiminisitra sy ny tsy fanaovan’ny Filoha Ravalomanana ampihimamba. “Ny nifampiresahana dia ny hoe: mbola tsy misy olona ao amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ka maninona raha I Voninahitsy Jean Eugène no apetraka eo? Lazainao indray fa izaho no nangataka anao ho minisitra ka izaho angaha no Praiminisitra? Menatra aho raha ianao no atolotro. Izahay dia mitaky fa olona manana fahaizana amin’ny toerana no apetraka ho mpiasam-panjakana ambony, ka tokony ho “agent diplomatique” no apetraka amin’izany fa tsy ianao”, hoy I Paolo Raholinarivo. Tonga hatramin’ny fifandrefesana hoe: “raha kandida ianao dia kandida aho, raha mahazo vato mihoatra na dia iray amin'ny ahy (Paolo) dia miala administera sivily, ary hody ambanivolo hamboly”. Misy karazana ampamoaka sy fifamoahan-dresaka izay tsy tongatonga ho azy, tsy azo raisina ho marina tanteraka, tsy azo lazaina ho diso tanteraka, saingy tsy azo hamaivanina satria mety ho taratry ny sary politika hiseho.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT