Politique

Repoblikan’i Inde Vonona hizara traikefa ara-pifidianana


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI Dama Andrianarisedo ny

Ambasadaoro vaovaon’I Inde eto Madagasikara Atoa Bandaru Wilsobabu omaly 07 febroary 2023. Naneho fa vonona hifanome tànana amin’I Madagasikara amin’ny fizarana traikefa ara-pifidianana ity firenena ity tamin’ny alalan’ny Masoivohony. “Firenena lehibe i Inde na anisan’ny an-dalam-pandrosoana aza, vonona hanampy sy fanolo-tàlanana amin’ny fifidianana satria manana ny traikefany sy efa zatra mikarakara fifidianana satria 900 tapitrisa ny mpifidy any Inde”, hoy ity Diplaomaty ity. Naneho fa vonona hanolo-tànana na amin’ny fanofanana ny mpiasan’ny CENI na koa fanampiana ara-pitaovana. Naneho kosa ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo fa fihaonana tao anatin’ny firahalahiana. Lafiny 2 no nivoitra satria vao tonga ny oktobra 2022 io diplaomaty io, ka nanao fitsidihana. Firenena lehibe manana traikefa amin’ny lafiny fifidianana I Inde ary vonona hifampizara traikefa, ary vonona hanolo-tànana, hoy izy nanamafy. Momba ny lisi-pifidianana izay 10 tapitrisa latsaka eo ankehitriny. Nilaza ny Filohan’ny CENI, fa nisy rivodoza ka niisatra kely ny antontan’isa. Mino CENI fa handeha io, ny fanisana isan-tokantrano no tapitra fa ny rehetra fa ny eny amin’ny fokontany mitohy, ary hatramin’ny volana mey, ka inoana fa hivelatra ny lisitra, hoy io filohan’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana io. Naneho ihany koa fa misokatra amin’ny mpanara-maso na eto an-toerana na eto ivelany ny CENI, ary mamporisika izay mahafeno ny fepetra. Hatreto moa, tsy mbola mazava ny tetiandrom-pifidianana izay miankina amin’ny governemanta ihany koa. Ny fifampiahiahiana ara-politika ihany koa mbola tsy foana tanteraka ka asa izay ho fizotran’ity raharaham-pirenena sy raharaham-pifidianana ity?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT