Dimy andro lasa izay no nambara tamin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’ny Repoblika faha-4.
Hatramin’ny omaly hariva anefa, raha notsidihana ny tranokala ofisialin’ny fiadidianana ny Fahefana avon’ny tetezamita www.madagascar-presidency.gov.mg dia tsy mbola nisy mihitsy na dia iray aza, ny taratasy fiarahabana ny filohan’ny tetezamita sy ny vahoaka Malagasy avy any amin’ireo firenena vahiny mpiara-miasa amintsika, na koa avy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eny fa na dia ireo firenena nandefa ny solontenan’ny masoivohony miasa eto an-toerana ka nanatrika ny lanonana teny Iavoloha aza dia tsy niarahaba antsika noho ny fitsanganan’izany Repoblika faha-4 izany. Ny Frantsay moa dia efa iaraha-mahalala ihany, fa aty ambadika izy no mety manohana an’i Andry Rajoelina, fa tsy ho sahiny velively ny hanava-tena ka hidedaka handefa taratasy fiarahabana ofisialy.
Ary raha toa aza ka nisy ihany io fankatoavana io, na dia hoe amin’ny endriny an-koalaka sy ara-diplamoatika ihany aza dia tokony ho nisantatra ny fanambarana izany ny SADC tamin’ny alalan’ny Dr Leonardo Simao, saingy tsy nisy izany ary ny resaka fanelanelanana sy fikarohana ny hevitra hanatanterahana ny fifampidinihan’ny ankolafy rehetra, aza no maha maika azy ireo. Ka lasa ihany ny eritreritra eto hoe sao dia ny fahafantarana izany rehetra izany mialoha ary, no nahatonga ireny fihetsiketsehana be nataon’i Andry Rajoelina mivady tamin’ny sabotsy 11 desambra ireny, ka rehefa tsy hanaiky ny fijoroan’ny Repoblika ihany ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy olana izany fa averina tsimoramora ny fitondran’ny Andriamanjaka, ka izay tsy mainaiky ny toromarika na miseho ho be fanakianana dia tapahan-doha avy hatrany, na alefa an-tsesitany, tahaka ny fanao fahiny ?
Amin’ny maha mpikirakira ny serasera azy dia inoana fa misy hafatra tian’i Andry Rajoelina nampitaina tamin’ireny zava-nitranga ny sabotsy teo ireny fa tsy hoe natao kisendrasendra akory na tampotampoka iny fandaharam-potoana sy fitsidihana ny toerana maha Iarivo an’Iarivo ary fototra niaingan’ny fanjakana teto iny. Tena mampanahy anefa ny zavatra tahaka ireny, araka ny fahitan’ny maro azy satria toa mifanohitra amin’ny kabary ny fihetsika, mifanipaka amin’ny soatoavina repoblikanina ny fanindraindrana ny fomba tamin’ny vanim-potoanan’ny faha mpanjaka, ary vao miha manjavozao ny sain’ny vahoaka izay efa reraky ny fiainana. Ireo manampahaizana amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena dia manipika mazava fa hampitarazoka ny famahana ny krizy sy ny fiverenan’ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amintsika iny tranga tamin’ny sabotsy teo iny, satria amin’izy ireo dia manangasanga eto Madagasikara ny fiverenan’ny fanapahan’olon-tokana izay taratry ny fihemoran’ny demokrasia sy ny fanajana ny zon’olombelona ary ny zo haneho hevitra an-kalalahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.