Rejisitry ny fifidianana

Averina tanteraka miainga


  • Talata 07 Jolay 2026

eny amin’ny fokontany

Namory ireo mpiantsehatra ny CENI Nanatanteraka ny fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana eto Antananarivo ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), tao anatin'ilay sehatra ifampidinihina maharitra, ny alatsinainy 06 jolay 2026, tao amin'ny foiben-toerany tetsy Alarobia. Sehatra natsangana ho setrin'ny fangatahan'ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana nandritra ny atrikasa savaranonando ifanakalozan-kevitra mialohan’ny fikaonan-doham-pirenena mikasika ny fanavaozana ny didy aman-dalana mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, tamin'ny faran'ny volana Mey 2026 lasa teo. Araka izany, nanatrika ity fihaonana voalohany ity ireo solontenan'ireo antoko politika, ireo solontenan’ireo firaisamonm-pirenena, ireo tompon’andraikitry ny haino vaky jery, ireo andrim-panjakana ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera voakasiky ny fitantanana ny fifidianana. “Tsy afaka manao ny asa izahay raha tsy mifampiresaka. Atsangana izao sehatra ifampidinihina maharitra izao amin’ny dingana rehetra amin’ny zotram-pifidianana. Mifanazava, mifampiresaka, mifandinika amin’ny hitondrana ny asa”, hoy ny Filohan’ny CENI, RAKOTONARIVO Thierry. Nandritra ny fihaonana, natolotra ireo fehin-kevitra sy tolo-kevi-dehibe nivoaka nandritra ilay atrikasa savaranonando ifanakalozan-kevitra mialohan’ny fikaonan-doham-pirenena mikasika ny fanavaozana ny didy aman-dalana mifehy ny fifidianana eto Madagasikara. Noraketina anaty antontan-kevitra ireo izay haparitaka any amin'ireo andrim-panjakana ambony ary ny FFKM. Ho fanamafisana ny mangarahara sy mba ahafahan’ny rehetra mitrandraka ireo fehin-kevitra sy tolo-kevi-dehibe ireo, haranty ao amin’ny tranokalan’ny CENI io antontan-kevitra io. Nampahafantarina ireo mpiantsehatra ihany koa ny fandrosoan'ny asa mikasika ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly. Nohazavaina ireo fomba dimy ahafahana misoratra anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy mandritra ny fanavaozana manontolo: fisoratana anarana mandritra ny fitsidihana isan-tokantrano; fisoratana anarana eny anivon'ny Fokontany; fisoratana anarana eny Ambohimpihaonana (eny amin'ireo toerana voafaritra manokana sy be mpivezivezy); fangatahana fisoratana anarana an’habaka; ny fisoratana anarana amin'ny alalan'ny fanaovana kara-panondrom-pirenena voalohany. Milaza ny CENI fa efa tafapetraka any amin'ireo Faritany, Faritra ary Distrika sasany ity sehatra ifampidinihana maharitra ity, izay tarihin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitry ny CENI sy ny ratsamangaika mba ahafahana mifanakalo hevitra sy mifampizara vaovao amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana eny an-toerana. Hanomboka ny 07 Jolay 2026 kosa ny fiofanana ho an'ireo mpisehatra rehetra mandray anjara amin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly ato amin'ny Faritra Analamanga. Efa niverina sy mipetraka ve ny fitokisana ny CENI?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT