Razoarimihaja Solofonantenaina

> Manohana an'i Neny ho Praiminisitra


  • Zoma 13 Desambra 2013


Kaominina enina ao Ambatondrazaka no indray voatetin’i Neny Lalao Ravalomanana nanaovany fampielezan-kevitra ho fampandaniana an’ny kandida Dokotera Robinson Jean Louis sady nanotrona ny kandida solombavambahoaka Razoarimihaja Solofonantenaina na Haja, omaly, dia Ambatosoratra, Antanambao Besakay, Manakambahiny, Didy, Bejofo ary Soalazaina. Niara-dia taminy koa ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandrato. Mampahery ny vahoaka amin'ny tolona izay atao hatrany i Neny tamin’ireo toerana notsidihiny ary mangataka ny vahoaka hitondra am-bavaka ny firenena. Manentana hatrany ny vehivavy koa izy handray andraikitra mba hifidy sy handatsa-bato ho an'ny Dokotera Robinson. Maneho hatrany ny fanohanany an'i Haja i Neny noho ity farany kandida tohanan'i Marc Ravalomanana. Razoarimihaja Solofonantenaina, tetsy an-kilany dia nanentana ny olona hifidy azy sy manazava fa izy no tohanan'ny filoha Ravalomanana, hitondra ny hetahetan’ny vahoaka, hanohana an'i Neny ho Praiminisitra, hanolotra ny tetikasa vaovao an'i Robinson toy ny lalana Ambato mivoaka any Vavatenina ary ny fanohizana ny asan'ny filoha Ravalomanana. Nentaniny koa ny mponina mba hiaro ny safidim-bahoaka any amin'ny biraom-pifidianana.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT