Razanamahasoa Christine

"Tandrovy ny fahamarinana na hihatra aman’aina aza”


  • Zoma 19 Aprily 2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

fifamindram-pahefana teo amin'ny Filohan’ny Antenimierapirenena teo aloha Ramatoa Razanamahasoa Christine sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana Andriamatoa Rabenirina Jean Jacques, zokiolona ao amin'ny Birao maharitra, sady filoha lefitra Faritany Toliara. Nandritra io no nitondran’ny PAN teo aloha hafatra miantso ny hitandroana mandrakariva ny rariny sy ny hintsiny. “Tandrovy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, tsy mahafaty ny mandefitra raha izay no hahasoa ny firenena”, hoy Ramatoa Razanamahasoa Christine. Tsara ny mampahatsiahy, fa naongana tsy solombavambahoaka sy tsy ho filohan’ny Antenimierampirenena ny 28 martsa 2024 teo Rtoa Christine Razanamahasoa noho ny fanehoan-kevitra nataony momba ny fiainam-pirenena sy ny fahasahiranana iainan'ny Malagasy, ny tsy fahatokisan’ny mpampiasa vola avy any ivelany, ny filazana niaro fitaka ihany ny ambara fa tolona tamin’ny 2009 satria tsy araka ny nifanarahana tamin'ny tolona tamin'izany fotoana, ka niantsoany ny rehetra hijoro. Teo ihany koa ny nilazany fa olona no olana eto fa tsy rafitra. Izy izay naneho fa afaka ny ziogany, naongana tamin’ny tsy fanarahan-dalàna izy, saingy tsy nanenenany ny zavatra nambarany fa ho tohizany aza ho fiadiana ny tombotsoam-bahoaka. Tsy tapitra hatreo, fa kandida solombavambahoaka tsy miankina ao Ambatofinandrahana izy amin'ny fifidianana hatao amin’ny 29 may 2024, ka niray feo nanohana azy avokoa ny Vondrona avy amin’ny fanoherana fa tsy nanolotra kandida. Veloma mandra-pihaona ihany izany ny fandaozan-dRtoa Christine Razanamahasoa ny lapan’I Tsimbazaza fa afaka volana vitsy dia ho tafaverina ho solombavambahoaka indray?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT