Politique

Razanamahasoa Christine Izao vao mahatsapa ny lanjan’ny olom-boafidy


  • Talata 17 Novambra 2015

Anisan’ireo solombavambahoaka niatrika ilay fiofanana mikasika ny miralenta tao Antsirabe ny depiote Christine Razanamahasoa, voafidy tao Ambatofinandrahana, ny faran’ny herinandro teo

 

. Nandritra ny fiofanana vao tsapan’ity minisitry ny Fitsarana tamin’ny tetezamita ity fa hay zava-dehibe ny olom-boafidy, izay nataon’izy ireo tsinontsinona nandritra ny naha minisitra azy ka nanonganan’izy ireo ny olom-boafidy goavana indrindra tamin’izany dia ny filoha Ravalomanana. Tsapany mantsy fa matoa ny olona iray voafidy dia misy olona ao an-damosiny ka tsy tokony hatao tsinontsinona ny heviny. Etsy an-daniny, mahagaga fa ireo Minisitra mpanatanteraka indray no miseho ho lehiben’izy ireo solontenam-bahoaka sy manindritsindry kanefa mbola izy ireo no mametraka ny Praiminisitra vao mirafitra ny Governemanta, hoy izy. Nambarany moa fa zava-dehibe hoa azy ity fiofanana ity eo amin’ny fijerena ny miralenta eo anivon’ny fitantanana raharaham-panjakana, izay nampahafantarana ny zo sy ny tena asan’ny solombavambahoaka sy nampahafantarana fa mavesa-danja ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana sy ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny fomba fandrafetana ny lalàna na tolo-dalàna amin’ny maha mpanao lalàna azy ireo ankoatra ny maha mpanara-maso ny asan’ny governemanta azy ireo.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT