Razanamahasoa Christine

« Alana amin'ny tolona


  • Alakamisy 30 Oktobra 2025

ara-diplaomatika ny sazin’ny UA »

Vonon-kiasa ary hanao izay azony hatao hampandrosoana ny Firenena Razanamahasoa Christine, Ministry ny Raharaham-bahiny vaovao. Ho an'ny Ministera hiadidiany manokana dia anisan'ny asa maika hiantsorohany ny fanalana ny sazy napetraky ny Vondrona Afrikana amin'ny alalan'ny tolona ara-diplomasia. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nisy ny sazy napetraky ny Vondrona Afrikanina ho an'i Madagasikara tamin'ny 15 Oktobra lasa teo, taorian'ny nijoroan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Tsy mainty anefa ny lanitra hoy izy fa efa mazava avokoa ny lalan-kivoahana ary tsy tokony ho sarotra. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fitakiana ny Iles éparses mba hiverenan'izany ho an'ny taranaka Malagasy. Notsiahiviny moa fa ho an'izao Fitondrana mijoro izao dia asa tena maika ary hiombonan'ny rehetra ny fampandehanana ny fiainan'ny mponina amin'ny andavanandro amin'ny alalan'ny famatsiana jiro sy rano tsy tapaka... Tontosa omaly Alarobia 29 Oktobra tetsy Anosy ny famindram-pahefana teo amin'ny Ministry ny raharaham-bahiny teo aloha Rafaravavy Tafika sy ny Ministry ny raharaham-bahiny ankehitriny Razanamahasoa Christine.
Pati
Légende : Ramatoa Christine. Razana mahasoa, Ministry ny Raharaham-bahiny vaovao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT