Tena lesoka ny tsy nahafahan’ny mpanohana ny kandida Robinson Jean Louis nandrakotra ireo birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny Nosy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany izay notanterahana ny 25 oktobra 2013 lasa iny.
Efa nisy anefa ny fivoriana sy fikaonan-doha niarahan’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Avana ary efa vonona tanteraka ny fiatrehana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy solombavam-bahoaka, ireo mpikambana sy tsara sitrapo rehetra mandàla ny tan-dalàna manerana ny Nosy, hoy ny Talen’ny fampielezan-kevitra Razaka Elysé. Nanomboka teny anivon’ireo Fokontany izay nizoran’ny fandatsaham-bato, niakatra teny amin’ny Distrika sy ny Faritra ary tonga hatrany amin’ny foiben’ny CENI-T dia efa tafapetraka avokoa ireo rafitra sy paikady nentina nanaraha-maso izany. Nanamafy ity tompon’andraikitra misahana ny fandrindrana amin’ny ankapobeny ny fifidianana ho an’ny kandida filoha Robinson Jean Louis ity fa ao anatin’ny fotoana fohy no hanangonan’izy ireo ny voka-pifidianana rehetra ka tsy handefitra manana ny rariny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fahasamihafan’ny voka-pifidianana izy ireo. Hangataka avy hatrany ny famerenana ny fandatsaham-bato amin’ireo toerana mampiahiahy eo anoloan’ny fahefana mahefa izany ny komity miaradia mpanohana ny dokotera Robinson Jean Louis, hoy ny fanampim-panazavany. Mikasika ny fanosoram-potaka ny kandida Robinson Jean Louis ho manaparitaka bileta efa misy marika indray sy ny filazana fa misy olona lazaina fa manao propagandy amin'ny anaran'ny kandida Dr Robinson Jean Louis ary mizara vola kanefa dia nilaza i Razaka Elysé efa manao ny fanadihadiana izy ireo ahitana ny tena marina momba ireo raharaha ireo. Nambarany fa tsy mifanaraka amin'ny toe-tsaina ny kandida Dr Robinson Jean Louis izany. Efa nampahafantatra ny CENI-T ireo tranga ireo izahay, hoy hatrany i Razaka Elysé.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.