Manana ny fomba fijeriny manoloana ireo mitonona ho mpanohitra ihany koa ny Maitre Olala na Razafinjatovo Willy.
Nambarany, fa tokony hanana depiote eny amin’ny antenimieram-pirenena, ireo milaza azy ho mpanohitra vao afaka miteny. Misy amin’izy ireo mantsy no manana taratasy avy amin’ny minisiteran’ny atitany, fa hoe mpanohitra, nefa na solombavambahoaka iray aza tsy hananan’izy ireo akory. Araka ny fanazavany, tsy izay rehetra mitonona ho mpanohitra akory dia mpanohitra fa na dia mpivarokena na arina fandrehitra aza afaka milaza izany, nefa depiote iray aza tsy hananany. Tokony havoakan’ny fanjakana haingana io lalàna mifehy ny fanoherana io, dia izay manana ny maro an’isa , solombavambahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena no mpanohitra, hoy hatrany ny heviny.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.