Politique

Razafimily Constance “Tsy ara-dalŕna io tetibola 2016 io”


  • Zoma 06 Novambra 2015

Tsy mametraka olana be loatra ny fampiharana ny fanitsiana ny tetibola 2015 (LFR) sy ny tetibola 2016 (LFI) hodinihana miaraka ety amin’ny Antenimieram-pirenena izahay, hoy ny depiote Razafimily Constance filohan’ny vaomieran’ny fitantanam-bola

 

. Efa tara anefa ny fahatongavan’ilay LFR 2015, efa tena fotoana handinihana manokana ny LFI 2016 izao. Karazana fanamafisana fotsiny no hatao amin’io LFR 2015 io. Ny eritreritry ny mpanatanteraka ao amin’ny vola dia ny fametrahana ny tian-kano sy tsy tian-kano. Nakarina kely ny tetibola 2016 amin’ny ankapobeny nefa betsaka ny zavatra hitan’ny solombavambahoaka fa tsy dia mandeha amin’ny laoniny. Ny amin’ny ilay fanampiana  60 400 000Ar notakian’ny solombavambahoaka haverina, ohatra dia misy izy io na nahena 40 tapitrisa Ariary isaky ny distrika aza. i Kandreho sy Benenitra izay toerana somary kelikely ve dia tokony hitovy amin’ny distrikan’i Farafangana sy  Ampanihy  izay be velarana sy be mponina ary manana solombavambahoaka roa ? Dikan’izany  dia  tsy ara-dalàna io LFI 2016 io ary diso ara-tarehimarika ilay kajy nataon-dry zareo namolavola ity LFI 2016 ity ka ho henjankenjana ny adihevitra. Sady tao anatin’ny “conférence budgetaire” anie dia tokony ho nisy solontenan’ny Vaomieran’ny vola ety amin’ny Antenimiera mba nampidirina tamin’ny famolavolana ity tetibola ity. Ka tsy ara-dalàna aminay ity tetibola 2016 ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT