Ny fanaratsiana sisa no hany balan’ny mpifanandrina amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy Ny Avana amin’izao fiatrehana ny fihodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy izao sy ny fifidianana ho solombavambahoaka, hoy ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Razafimandimby Zafilahy Stanislas.
Hita soritra izany tao ho ao, hoy izy, teo amin’ny fanasoketana ny kandidà Robinson Jean Louis an-gazety sy onjam-peo samihafa eto an-drenivohitra. Tahaka izany koa ny mahazo ny tenanay any Vavatenina amin’ny maha kandidà solombavambahoaka anay any an-toerana atolotry ny Ankolafy Ravalomanana ka ilazan’ny mpifanandrina izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao. Tsy ahoanay anefa izany, hoy ity MCT ity, satria tsara antoka manana ny vonona izahay amin’ny fifandrimbonana amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra fa matotra ny fanohanan’ny Ankolafy Ravalomanana ny kandidà Robinson Jean Louis atolotry Ny Avana eo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ary satria tsy manana kandidà ry zareo amin’ny fifidianana solombavambahoaka dia manohana marindrano ny tenanay izy ireo amin’izany. Tanjona ao antin’izany, hoy i Zafilahy Stanislas, dia ny hamerina indray ny ara-dalàna eto amin’ny tany sy firenena. Efa be, hoy izy, ny zava-tsoa azon’ny vahoaka tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana, toy ny sekoly, hopitaly, lalana. Toy izany koa ny fikarakarana ny lemaka Iazafo mirefy 800 ha. Efa nahazo famatsiam-bola tamin’ny PPRR saingy ravan’ny krizy 2009 ihany koa. Amin’izao fotoana izao mino sy matoky izahay, raha lany ny Dr Robinson miaraka amin’ny solombavambahoakan’ny Ankolafy Ravalomanana sy Ny Avana dia ho azo antoka ary ho vaindohan-draharaha ny famerenana ireo tetikasa teo aloha efa azo ary ny fanohizana ny asa fampandrosoana natomboky ny filoha Marc Ravalomanana izay ilana ezaka betsaka sy fifanomezan-tanana amin’ny fitantanam-panjakana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.