Ray aman-dRenin’i Andry Andriatongarivo

« Mangataka mba avoahy ny zanakay fa tena marary… »


  • Zoma 23 Febroary 2024

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Ray aman-dRenin’i Andry Andriantongarivo,

ka nisy ny horonan-tsary miendrika hafatra nataon’izy ireo, nalefa tamin’ny tambajotran-tserasera omaly. Antony ny fanagadrana ity zanany eny amin’ny fonjan’Antanimora efa nanomboka ny volana novambra 2023 lasa teo. «Taitra izahay mahita resabe miely eny amin’ny tambajotran-tserasera mikasika azy sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tiko ny milaza fa ny zanakay dia efa nangina ary tsy salama fa marary izy. Tsy manana eritreritra hanelingelina na iza na iza. Anaty fonja tsara ambina no misy azy ka tsy afaka hampiditra fitaovana na hampita vaovao,… Aoka re izay ny fandranitana sy ny fampitomboana fankahalana eo amin’izy mivady satria manan-janaka iraisana izy ireo », hoy ny renin’i Andry Andriatongarivo. Nomarihiny ihany koa fa fantatr’i Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy tsara fa olon’ny fihavanana ireto Raiamandrenin’ny vadiny taloha ireto ka tsy mankasitraka ny fifandirana, efa bebe taona, tsy salama, ary efa marefo. Mangataka ny hamoahana ny zanany mo aizy ireo. «Namangy azy izahay androany, ary tsy salama tokoa izy no itanay tao ka miangavy mba avoahy izy fa tena tsy salama, ary efa nanao taratasy fanekena fa tsy hanelingelina na iza na iza, ary indrindra indrindra ny ordinatera sy ny findainy izay mbola voatazona any amin’ny polisim-pirenena », hoy ny reniny. Nanamarika ihany koa ny rainy, fa efa marefo, efa 70 taona, ka mba efa tsy te hahita olana tahaka izao intsony, ka nanamafy ny fiangaviana mba hamoahana ny zanany. Raha tsiahivina, dia nosamborina ny 08 novambra 2023 teny amin’ny tranony teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ary nadoboka am-ponja roa andro taorian’io Andry Andriatongarivo. Fandrahonana olona tamin'ny basy, fitazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ary fitazonana sy fifohana zava-mahadomelina no vesatra nanenjehana azy. I Andry Andriatongarivo izay nanao ampamoaka maro ary mbola nilaza hanohy izany no nosamborina sy nogadraina, saingy manome toky fa hangina izany raha tafavoaka. Hihaino azy sy ireo Ray aman-dReniny ve anefa ny Mpitondra izay nanagadra?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT