Raveloson Jean Constant

> Hametraka fanjakana mendrika an’i Madagasikara


  • Talata 26 Novambra 2013


«Tsy fitondrana fotsiny ihany no tanjonay fa ny hametraka fanjakana mendrika an’i Madagasikara», hoy ny kandida ho solombavambahoaka MFM Raveloson Jean Constant nandritra ny fitokanana ny foibe hiasan’izy ireo tetsy Analamahitsy, Boriborintany faha-5 omaly. Tsy ny hevitr’izy dimy mianadahy dia Raveloson Jean Constant, Harinoro Aimée, Razaiharisoa Aimée (Ranja), Randriamiakatra Andry ary Rakotoarimanana Masoandro izay ao anaty lisitra hofidiana ihany anefa no havoaka avy ao fa ny hevitry ny besinimaro. Fomba hoentin’izy ireo miasa dieny izao ny fanatonana ireo vahoaka mba hifampiresahana ary koa mba hanaovana tatitra rahatrizay ka lany izy ireo. Nambaran’Atoa Constant fa isany manahirana amin’ny resaka fifidianana solombavambahoaka ny fanafangaron’ireo vahoaka ny asan’izy ireo sy ny Ben’ny tanàna. Mandritra ireo fihaonana amin’ny vahoaka mantsy dia ny resaka lalan-kely ratsy any aminy sy ny mitovitovy amin’izany no asain’ireo vahoaka mba hojereny raha toa ka ny resaka lalàna no ilana ny solombavambahoaka. Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana moa io fitokanana ny foibe hiasan’ny kandida ao amin’ny Ndao ento miakatra ny firenentsika io.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT