Politique

Raveloson Constant Sady tsy fantatra anarana no tsy fanta-piaviana io tetezamita io


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

“Tsy misy mahazo miteny intsony hoe Tetezamita Gaboraraka sy miVaralila ny tetezamitan-dry zareo satria tsy misy mahazo mametraka anaram-bositra intsony, hono, izao”, hoy Atoa Raveloson Constant tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 1 oktobra.

 Ny olana dia tetezamita tsy fantatra anarana io ary tsy fanta-piavina. Tsotra ny fanamarihana nomen’ity mpitari-tolona ity fa tsy mbola misokatra ho antsika ny TVM sy RNM ka tsy mbola io izany ilay tetezamita tena izy. Mbola any am-ponja foana koa ny namantsika. Efa nofoanana ve ny fanenjehana, na ara-tribonaly io na ara-kevitra ? Ny mpitarika antsika mantsy dia mbola sesitany, hoy i Constant.

Raha mankany Ambohitsorohitra handehandeha fotsiny ve izao tenako izao tsy voakotaba ? Efa eo Ambohijatovo ve ny hetsika ? Tsia daholo ny valin’ireo, ary na izy Fitondrana Avon’ny Tetezamita aza tsy mahalala hoe aiza ho aiza isika izao. Tsy nisy nanendry an-dRajoelina ho mpanjaka teto, hoy hatrany i Constant Raveloson ary ao anatin’ny sori-dalan’i Sandton dia avy amin’izy telolahy (filoham-pirenena teo aloha) ny ho praiminisitra. Tsy anao ny tetezamita na praiminisitra, na CT, na CST na CENI. Tsy tetezamitan’ny fanjavonana intsony no ilaina.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT