Politique

Raveloson Constant Nanao valin-kafatra


  • Zoma 30 Septambra 2011

Raha ny sitrapon’ny tompony, hoy Raveloson Constant, dia hatao toerana manan-tantara ity kianjan’i Magro ity, satria ity izao no tena Kianjan’ny demokrasia noho ny fanakendana ny fananana sy ny momba antsika rehetra.

 Eto no hanambarana ny fisolokiana rehetra natao tany New York ary misy aza mpanao gazety milaza fa raha vao vita ny sonia sy ireny tany New York ireny dia filoham-pirenena Rajoelina. “Miverena ianareo eto ambonin’ny tany fa sady efa tsy tafainga ilay TGV no rendrika ilay sambo koa aza ka milingilingy ho komandin’ny Boeing izany indray !”, hoy i Constant. Mikasika ny fitsenana ny fiverenan’ny filohan’ny FAT teny Ivato omaly indray dia tsotra no fahitan’ity mpanao politika ity azy : “olona tsy faly akory ireny fa voatery mihoraka fa rehefa mandalo satria nokaramaina”. Mikasika  ny fiainam-pirenena ankapobeny dia novantaniny fa manjaka tanteraka ny dahalo ankehitriny ary tsy mbola nanana fitaovam-piadiana maro tahaka izao izy ireo ary tsy mbola voavingavinga tahaka izao ny fanjakana nisy teto.

Mifamono ny olona eran’ny tanàna noho ny zavatra tsy misy dikany, fanjakana sy firenena aiza no misy an’izany, hoy ity mpanao politika ity. Tsy misy fitokonana maro tahaka ny tamin’ity andron’i Andry Rajoelina ity ary tsy mametraka daty mihitsy ny mpitokana. Septambra no dinihana ny AGOA eran-tany fa ny an’i Madagasikara kosa amin’ny desambra noho ny kisoniasonia. Mikasika ny tany New York dia notsiahivin’i Constant fa efa hatramin’ny 1960 no naneken’izao tontolo izao ny fisian’i Madagasikara ary i Madagasikara ihany no afaka manala ny tenany ao amin’ny Firenena Mikambana. Mikasika ny filazana fa manaiky hanampy ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny fifidianana na ny Firenena Mikambana na ny Vondrona Eoropeanina. Manampy ireo raha fifidianana azo antoka, iarahan’ny rehetra manatanteraka, hoy izy. Notsoriny fa rehefa rava ny fanjakana tsy ara-dalàna, mivoaka ny gadra politika, tsy misy fanenjehana intsony dia hisy ilay fankatoavana iraisam-pirenena. Fa ny mifanohitra amin’izany no miseho izao satria vao vita ny sonia dia nisy ny “NOTAM”, “commando” ho avy any Afrika Atsimo, eny tonga handray New Yorka handray fitenenana. Manaike ny dingana manaraka dia ny fihaonanareo efatra mirahalahy, hoy i Constant Raveloson.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT