Mbola manohy ny fomba fiasan’ny teo aloha ihany ny fitondrana amin’izao.
Hatreto mantsy dia tsy mivoaka foana ny lalàna mifehy ny fanoherana. Miandry izay hivoahan’izany ihany koa ireo mitonona sy milaza azy ho mpanohitra. Ny antoko Tim no efa nilaza ampahibemaso sy nametraka ny antontan-taratasy milaza fa izy ireo no mpanohitra. Nitondra ny heviny mikasika izany atoa Raveloson Constant, mpanao politika ary nambarany, fa kajikajy politika, misy lalao maloto ao matoa tsy avoaka ny lalàna mifehy ny fanoherana, hoy izy. Samy misora-tena ho mpanohitra avokoa mantsy ireo mpanao politika amin’izao. Raha ny nambaran’ity mpanao politika ity hatrany, dia izay nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana no mpanohitra, fa lasa ataon’ny sasany sehatr’ady fotsiny ny filazany, fa izy no mpanohitra. Tokony hijoro amin’ny maha mpanohitra azy kosa ny antoko Tim, hoy ny fanazavany, satria, maro ireo mpifidy azy ireo nanerana ny nosy tamin’ny fifidianana nisesy teto amin’ny firenena ary manana ny taratasy ara-dalàna amin’ny maha mpanohitra azy koa ity antoko Tim ity, hoy izy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.