Raveloson Constant

> Tsy misy vahoaka faly amin’ny hitohizan’ny tetezamita indray


  • Zoma 27 Desambra 2013


Tsy ny vahoaka salama saina, hoy Atoa Raveloson Constant tetsy Behoririka omaly, no ho faly amin’ny mbola hanohizan’ireo mpitondra ny tetezamita hitondra mandritra ny 5 taona manaraka raha izay fijaliana niaina nandritra io fe-potoana io izay no banjinina. Tsy sitrapon’ireny olona voakarama ireny mihitsy ny hifidy an’izany Hery Vaovao izany, hoy izy, fa entin’ny tsy fananana ka nanao zavatra tsy am-piheverana. Mitohy ny tolona, hoy izy, fa mbola tsy tafaverina an-tanindrazana i Marc Ravalomanana ka hatao taom-baovaom-pitolomana ity taona 2014 hitsidika ity. Koa samia àry mandray ny andraikitra tandrify azy, hoy i Constant ary dradradradrao fa tsy manaiky izao hala-bato efa voaomana sy efa maty paika ataon’ny kifanjakana tetezamita izao isika. Tsy misy manaiky ny hiverenan’ny zava-niseho tamin’ny 2009 izany intsony eto ary tsy misy hanaiky ny hitohizan’ny fitantanana gaboraraka nisy nandritra ny 5 taona teo intsony ihany koa, hoy hatrany i Constant.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT