Politique

Ravelonarivo Jean Salama tsara , hody anio alina


  • Alatsinainy 30 Novambra 2015

Maro be ny resaka manodidina ny ahafahan’ny jeneraly Ravelonarivo Jean manohy na tsia ny andraikitra maha praiminisitra azy.

 


 

Andrasana fatratra noho izany ny  fanambarany amin’ny mpanao gazety.

Afaka miasa tsara

Anio hariva no andrasana eny  amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny  jeneraly Ravelonarivo Jean. Nandeha be ny resaka fa ho avy ny sabotsy alina teo ny praiminisitra, ny Tia Tanindrazana koa anisan’ny nilazana izany voalohany indrindra dia  fantatra fa nisy fiovana  tamin’ny  fotoana farany ny fandaharam-potoanany  ka anio alina  indray izy vao ho tonga. « Fandaminana anatiny  amin’ny fikarakarana ny  fodiany no nahatonga azy ho izao vao tafody fa tsy misy antony mifandraika  amin’ny  fahasalamany. Salama tsara ny praiminisitra ary vonona avy hatrany ny  handray ny asany. Hisy rahateo moa ny fihaonany aminareo mpanao  gazety  hanazavany ny  zava-misy rehetra », hoy i Tina Rasamimanana, talen’ny kabinetran’ny praiminisitra izay tena ao anatin’ny  fitandremana be mihitsy ankehitriny. Mazava izany  izao fa  mavaivay ny ady seza ankehitriny ka samy  manararaotra ny trangan-javatra miseho rehetra ny  mpanao politika mba  hiezahana hamadihana ny tantara sy hakana seza. Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaha. Tena mierireritra izay   manahirana ny vahoaka tokoa ve ny  mpanao politika sa variana mitady ny tombontsoany  sy  miady seza fotsiny ?


Andry Ratovo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT