Politique

Ravelonarivo Jean Mampitandrina an’i Dada


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Ity tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe malailay fonosana. Manolona ny fikasan’i Dada Ravalomanana hanarina ny toerana famonona omby sy kisoa eny Andohatapenaka dia nampiaka-peo ihany koa ny praiminisitra. “

 

Mahalala tsara izy fa tany manan-tompo io toerana io ka tsy ho azo bodoina fotsiny amin’izao”, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean  naneho ny heviny amin’ny fikasana hanamboarana ity toerana famonoam-biby ity. “ Tany misy lalàna ity tany  misy antsika ity ka tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Ho an’izay minia mandika izany  moa dia ny fampiharana ny     lalàna no anjaranay ”, hoy hatrany ny praiminisitra.

Ny manaitra ny mpanara-baovao amin’ity tantara ity dia ny fihetsiky ny fanjakana toa malaina ny hampiana kanefa ny hoenti-manana tsy misy akory. Nipetraka elabe teo ilay toerana tsy nisy ny  finiavana hikitika na ihany ny fahafahana hanao zavatra teo amin’ilay toerana. Ankehitriny misy ny Malagasy mpiray tanindrazana vonona haneho finiavana hanampy  kanjo  fandrangarangana ny lalàna no hita . Fa angaha moa efa nilaza i Dada fa tsy hanarakany fepetraizay misy sa mialona azy ?   Miantso  fiaraha-miasa amin’ny mpiray tanindrazana ny mpitondra kanefa rehefa ampiana toa malaina indray. Fa matahotra inona ny mpitondra ? Ny fiatrehana ny fifidianana ho  filoham-pirenena amin’ny 2018 ve no mahatoonga izao kanefa na tsy avela hiasa aza i Dada dia handrasan’ny olona foana ny fotoana hidirany an-tsehatra ary vao mainka hampangidy  hoditra ny fitondrana HVM izany amin’ity saritsarim-pihavanana ity .

Rabri 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT