Politique

Ravelonarivo Jean Lasa jamba ?


  • Talata 01 Desambra 2015

Fahombiazana tanteraka no fahitan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny 100 in-droa miantoana nametrahana ny politikan’ny RRI na ny « résultat rapide et intense » eo anivon’ny minisitera isanisany.

 

 Porofo fa mandroso ny asa, hoy ny praiminisitra  dia ny fahavitan’ny fifanarahana vita rangopohy eo amin’i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina izay mpamatsy vola. Samy manana ny fomba fandrefesany ny dingana vita eo amin’ny antsoina hoe fampandrosoana moa ny tsirairay. Ho an’Atoa praiministra, raha ny nambarany teny am-pahatongavana ny maraina teo avy nitsabo tena tany Frantsa, dia vita ny zava-drehetra.

Jamba ?

Mety hisy tokoa ny resy lahatra amin’izay fanambaran’ny praiminisitra izay fa misy koa ny mihomehy irery maheno ny fanambarany ary velom-panontaniana hoe tena tsy mahita ny zava-manjo ny vahoaka entiny tokoa ny praiminisitra ? Fa lasa jamba koa ve ingahy praiminisitra sa mitampina inona ny masony ? Io tsy fandriampahalemana tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao io ve no atao hoe vita ny zava drehetra ? Ny tsy fananan’asa tsy lazaina intsony. Ny orinasa izay noheverina ho matanjaka indrindra eto Madagasikara ary orinasa anisan’ny lehibe indrindra amin’ny sehatra ihariany aty Afrika aza ny Sheritt manala mpiasa. Ao antony fa tsy tongatonga ho azy izany. Ny ady amin’ny kolikoly, sanatria toa lasan-ko vavany toy ny haron- tabebaka fotsiny ihany. Vao tsy ela akory izay no nisy raharaha mifono kolikoly mahatsiravina nakarin’ny Bianco teny amin’ny chaine pénale momba ny Jirama saingy miala sasatra ny mpitsara dia nihemotra ny raharaha. Sa misy olona tiana harovana indray ao ? Tontolon’ny fitaterana, potika tanteraka ny Air Madagasikara ary ahiana ny tsy hahatafarina azy intsony. Manginy fotsiny ny lozam-pifamoivoizana izay namoizana ain’olona maro, ny fikorontanan’ny fifamoivoizana.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT