Politique

Ravelonarivo Jean Hody maika sao …


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Efa mihatsara ny toe-pahasalaman’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ary efa mikasakasa ny hitodi-doha ho aty an-tanindrazana amin’izay ny tenany, raha ny vaovao voaray avy eny amin’ny fiadidian’ny praiminisitra.

 

 Raha sitrapon’Andriamanitra dia  efa ny jeneraly Ravelonarivo  Jean no tokony  hitarika ny filankevitry ny  governemanta amin’ny  talata ho avy izao, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy eny Mahazoarivo. Manoloana  ireo  resaka  maro samihafa  momba ny mety hanoloana ny  lehiben’ny  governementa  dia nanambara ny  avy eny Mahazoarivo  fa vaovao  tsy  marim-pototra avokoa izany rehetra izany  fa  mbola izy no praiminisitra lehiben’ny  governemanta na dia efa maro aza no  nanoman-tena mangigina tany ambadika tany. Ny  fodian’ny  filoham-pirenena  an-tanindrazana ihany  koa no   ambaran’ny  mpanara-baovao  fa antony tokony  hamonjen’ny  praminisitra ny fodiana haingana  sao  misy mijoko mangina any amin’ny filoham-pirenena ny toerany.


Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT