Ravelonanosy Andriantefy Bruno (Bati)

> Tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka


  • Sabotsy 16 Novambra 2013

Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio, Atoa Ravelonanosy Andriantefy Hubert Bruno Joseph Ramaka antsoin’ny mahafantatra azy hatramin’ny fony kely hoe Bati, mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fananan-tany ary kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Avaradrano. Tsy olon’antoko fa tia firenena, ny feon’ny vahoaka no aoka ho jerena, hoy izy. Dinidinika.

Tia Tanindrazana (TT) : Mpandraharaha saika mitana birao isan’andro eto an-drenivohitra ianao Atoa Bruno, nahoana no any Avaradrano no nosafidiananao hilatsahan-kofidiana depiote ?
Ravelonanosy Bruno (RB)
: Zanak’Avaradrano hiringiriny ny tenako satria izy ray aman-dreny niteraka anay 4 mirahalahy iray tampo dia samy nipoitra avy amin’ity Distrika ity avokoa, ny raiko avy eny Ambohimanga sy Ambatomanoina ary ny reniko kosa dia avy eny Kilonjy Fieferana sy Ambohimalaza, izay samy efa nodimandry avokoa.

 

TT : Tsy ampy ve ny sehatry ny fandraharahana sa mahita ny lazan’ny Parlemantera notendrena ankehitriny dia tapa-kevitra ny hirotsaka ?
RB :
Izaho dia tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka noho ny fahitako ny fahantrana lalina mianjady aminy ary izany no nijereko manokana ny zava-manahirana azy ireo tamin’ny asa fanasoavana maro natao tamin’ny alalan’ny fikambanana “Vahoaka ihany” tarihiko, ka misy varavarana lehibe misokatra ity fidirana ho solombavambahoaka ity hoentina manasoa ny firenena, indrindra ny Distrikan’Avaradrano manokana ka vonona ny tenako handrombaka izany.

TT : Sao dia diso lalana izany hoe hanasoa mivantana ny vahoaka izany nefa fanaovana lalàna no hatao eny anivon’ny Parlemanta hirotsahanao ?
RB :
Mazava loatra fa hanao lalàna sy hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka no tena andraikitr’izany solombavambahoaka izany rehefa mby eo amin’ny toerana ny tena nefa amiko ny fiarahana amin’ny vahoaka dia tsy vitan’ny resadresaka fotsiny satria mitakosina tanteraka aminy ny tena isan’andro ka tokony hahajery ny anaty vilaniny izay foana noho ny krizy mianjady, ka amiko mifameno ny fanaovana lalàna sy fijerena ny tombontsoan’ny vahoaka hanatsarana ny fiaimpiainany.

TT : Betsaka izay toky azon’ny vahoaka izay rehefa tsy mbola tonga eo amin’ny toerana ny mpampanantena nefa zavatra hafa no miseho rehefa lany eo ?
RB :
Ho an’ny “Vahoaka Ihany”, dia nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny vahoaka amin’ny hanatanterahana fotodrafitrasa matotra isaky ny Kaominina rehetra ao anatin’ny Distrikan’Avaradrano ary efa betsaka no natao sy vita fa tsy manao fampanantenana poakaty izany i Bati. Anisan’ireo nahazo fahasoavana manokana ny tenako ary Kristianina matahotra an’Andriamanitra, koa rehefa mahazo be dia manome maimaimpoana an’ny hafa.

TT : Tsy maintsy hofatoran’ny resaka politika anefa ianao na dia ny fidirana ao anaty vondrona parlemantera isan-tokony fotsiny aza ?
RB :
Tsy mpanao politika ny tenako ka izany no nahatonga ny filatsahan-kofidiana amin’ny anaran’ny mahaleotena. Na izany aza tsy maintsy jerena ihany ny asiana ny tongotra sy hipentsonan’ny vava ka raha tena ilaina izany dia izay vondrona afaka manatanteraka ny tanjona fijerena manokana ny “Vahoaka Ihany” no hiarahana. Ho an’ny fifidianana ho filoham-pirenena kosa anefa dia hijanona amin’ny maha olom-pirenena tsy manohana n’iza n’iza izahay nefa tsy hitsangana hanohitra izay lanim-bahoaka eo koa.

TT : Efa mba manana eritreritra hanolotraTolo-dalàna hanatsarana ny fiainambahoaka ve ianao ? Dia inona no laharam-pahamehana ?
RB :
Tsoriko fa ny ankabeazan’ny lalàna eto amintsika dia efa tsy mifanaraka amin’ny toetrandro intsony ka betsaka mihitsy ny tokony hovana, mila fiaraha-midinika amin’ny mpikambana sy ireo namana ho solombavambahoaka izany. Ny lalàna mikasika ny fananan-tany no heveriko fa tena maharary ny vahoaka indrindra ankehitriny ka mampisy olana hatrany etsy sy eroa. Mila mahay sy ampiana hanoratra ny taniny amin’ny anarany ny vahoaka mba hanana “titra” tena azy sy tena izy. Mila lalàna matotra koa ny fikarakarana ny tanora sy fanatanjahantena fa mahay sy mahavita zavatra be ny atletantsika rehefa tsara tohana. Farany heveriko fa maika koa dia fametrahana araka ny lalàna tsara ny tetibolan’ny Kaominina fa tena mahamenatra sy mampalahelo ny mba anjara raisin’izy ireo ankehitriny.

TT: Hafatra farany tompoko ?
RB : Tsotra ny teniko farany : raha lany aho dia ho an’ny vahoaka ary raha sanatria tsy lany kosa dia hiverina ho vahoaka tsotra. Tsy olon’antoko fa tia firenena, ny feon’ny vahoaka no aoka hojerena.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT