Politique

Ravelonahiana Mamitiana Nafonja sady nazava ny valin-kafatra hoan-dRaharinaivo


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Rehefa tsy mahatafaverina an’i Dada dia miala, hoy ny Depioten’Ankazobe teo aloha, Ravelonahiana Mamitiana raha nanisy tsindrim-peo manokana ny amin’ny praiministra vaovao izy tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 Nisy hafatra manokana ho an’ny mihevitra ho mpanapaka eto amin’ity tanàna ity nanambarany fa : raha tena manana “honnêteté” politika sy mitady fitoniana ny mpanao politika, tsy ny fanakatonana kianja no vahaolana. Nisy koa ny valin-kafatra nivantana nomeny an-dRaharinaivo Andrianatoandro tamin’izany nilazany fa : raha manakambo manangana antoko vaovao fa aza miambo amin’ny anaran-dray fa tsy izy ianareo. Tongava eto amin’ny Magro hijerena izany ambaranareo fa “Coquille vide” izany, hoy izy. Efa vonona kosa ireo fitaovana hampandehanana ireo Onjam-peo Mbs, Radio Mada, Fahazavana fa miandry ny fanokafana ireo nakaton’ny FAT fotsiny isika, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara Guy Maxime Ralaiseheno. Fantatra fa hisy vahiny ho avy ao amin’ity kianjan’i Magro Behoririka ity anio alarobia 9 novambra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT