Politique

Ravalomanana tao Antsirabe “Tsy ny fandehanana any Afrika Atsimo no hampilefitra ny Troika”


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

“Tsy hahazo fankatoavana velively io fitondrana io raha tsy mampihatra ara-bakiteny ny sori-dalana vita sonia”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha nitafa an-tariby nivantana tamin’ireo vahoakan’Antsirabe ny tenany ny sabotsy 08 oktobra lasa teo.

 Nomarihiny fa miandry ny fampiharana azy io avokoa ireo vondrona iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao ka tsy ny fandehanana misosososo aty Afrika Atsimo no hampilefitra ny Troika, fa dia “iaraha-nahita ireny fa fahafaham-baraka sy henatra no azon’izy ireo izay tonga tsy nasaina taty an-tanin’olona taty fa mihevitra hatrany ny hafa ho tsinontsinona sy mitetika ny handeha irery hatrany.” Nolazainy fa tsy ho azo rebirebena izany ny Troika ary porofo, hoy izy ny niantsoana ireo vondrona hafa hiara-midinika amin’ny fanatanterahana iny sori-dalana iny fa tsy noraisin’ny mpanelanelana ireo V8 izay nisosososo fotsiny tany.

Henatra hatrany ho an’ny Malagasy ny fihetsika ataon’ireo milaza ho mpitondra ireo fa tsy misy zavatra vitany, hoy hatrany izy ka tokony hieritreritra amin’izay izy ireo. Nanafatra ihany koa izy ho an’ny mpitandro filaminana izay mampihaiky ny sehatra iraisam-pirenena ny hadalana ataony amin’ny tsy fanajana ny zon’olom-belona sy ny tsy fanarahan-dalàna sesilany mitranga ataon’izy ireo fa tsy araka ny maha tandroka aron’ny vozona azy intsony amin’izao fotoana. Mbola nanamafy hatrany ny tenany fa tsy maintsy mody ary tsy ho ela intsony izany fa “aza lany andro hisambotra ahy aty izany”, hoy izy. Nankahery ireo vehivavy izay tompon’ny hetsika tamin’io sabotsy io moa ny tenany ary nanafatra azy ireo mba hijoro hatrany ho andrin’ny firenena. Hahita zavatra isika amin’io herinandro io, hoy izy teo am-pamaranana ny teniny.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT