Araka ny fantatra dia hihaona manokana anio any Afrika atsimo Atoa isany Marc Ravalomanana sy Jacob Zuma filoha Afrikanina tatsimo sady filoha mitarika ny Troikan'ny SADC amin'izao fotoana.
. Ity farany moa dia mbola niatrika ny fivorian'ny G 20, na ireo tany 20 manankarena indrindra eran-tany, natao tany Nice Frantsa. Manodidina ny fanendrena ny praiminisitra Omer Beriziky, ny fodian'ireo sesitany ary ny fampiharana ara-bakiteny ny sori-dalana no mety hifantohan'ny dinika, saingy tsy mbola nisy aloha ny fandaharam-potoana ofisialy. Tsy mbola niova aloha hatreto ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana fa dia mitsipaka ny fomba nanendrena an'i Omer Beriziky, izay tsy mifanaraka amin'ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-5, raha ny fahitan'ity ankolafy ity azy ary mbola ahitana taratra ihany ilay fanapahan-kevitr'ankolafy tokana amin'ny fitantanana ny tetezamita.
Lohahevitra iray mbola goavana ihany koa ny amin'ny fodian'ireo sesitany eto an-tanindrazana. Nangingina indray mantsy ity resaka ity tato ho ato izay ary raha ny fahitana azy dia tsy mbola laharampahamehan'ny praiminisitra Omer Beriziky ilay izy, raha ny amin'ity taona ity aloha no resahana. Eo amin'ny tontolo politika anefa dia hita ho manomboka mahazo vahana indray ny FAT ary miha mafy fototra ny fitondran'i Andry Rajoelina, izay efa hita mibaribary fa tohanan'ny Frantsay hatramin'ny farany na inon-kidona na inon-kihatra. Raha ny fandinihan'ny mpanara-baovao politika azy dia tsy maintsy mihetsika mafy Atoa Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy raha tsy te ho hadino any Afrika Atsimo any, ary izao no fotoana fa tsy hiandry ny rafitra tetezamita rehetra tafajoro indray vao hihetsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.