Politique

Ravalomanana sy Rajoelina teny Analakely “Tsy misy maharesy vahoaka izany”


  • Talata 24 Aprily 2018

Nandrasan’ny rehetra ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina tetsy anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly. Naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ny maty noho ny savorovoro narahina fampiasan-kery ny sabotsy lasa teo, ka nahafaty ireo roalahy nentina nomem-boninahitra eny an-toerana.

 
Tamin’ny 4 ora mahery folo teo ho eo no tonga teny an-toerana i Andry Rajoelina, ka nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ny manam-manjo. Na inona na inona hevitra tsy mitovy, dia tsy ekena ny fifamonoana ny Malagasy samy Malagasy. Misy ny fotoana hanginana, hoy izy ary misy fotoana hitenenana. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva latsaka folo kosa no nigadona teny an-toerana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka vahoaka tsy tambo isaina no nankasitraka ny fahatongavany. Nampahery sy nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ny maty noho ny hetraketraky ny sasany ny tenany. Nambarany, fa mangetaheta fiovana maika ny vahoaka, ary manantena fiovana fiainana. Mino, manantena, ary manome toky, fa tsy ho very maina ny aina nafoy, hoy i Marc Ravalomanana. Endrika iray ho an’ny fanavaozana ny firenena ny zava-misy, ary tsy ho raraka an-tany fotsiny ny rà latsaka, raha ny nambarany. Eo anatrehan’ny zava-misy dia miantso ny FFKM, ny K3F (Komitin’ny Fahamarinana Fandriampahalemana Fiadanana), ny antokom-pivavahana hafa mba hijery sy hiantso ireo olona izay tsy mbola mahita hisian’ny fifanakalozan-kevitra satria maika ny vahoaka, hoy i Marc Ravalomanana. Miantso ady hevitra sy vahaolana maika ihany koa. “Mila faharetana, fotoana fohy sisa”, hoy izy. Nankasitraka ny herim-pon’ny vahoaka ny tenany, ary nidera ny fahendreny. Na iza na iza milaza ho manana ny hery dia an’ireto vahoaka ireto ny fahefana, hoy hatrany ny filoha teo aloha. Tsy nisalasala izy nilaza hoe: “Tsy ho resinareo na oviana na oviana ny vahoaka Malagasy”. Fiovam-penitra mahery vaika no andrasana mba tsy hiverina intsony ny tahaka izao, raha ny nambarany. Vavaka sy fangataham-pitahiana moa no nentiny namaranany ny fandraisam-pitenenany.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT