Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Hany mbola misongadina


  • Zoma 20 Aprily 2018

Ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana, izay efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena sy ny filoha nasionalin’ny vondrona politika MAPAR, Andry Rajoelina, hatreto no hita hany mbola misongadina amin’ny fihetsiketsehana maneho ny fahavononany hiatrika fifidianana na dia mbola tsy nanambara ny filatsahany aza moa itsy farany.

 
 Manoloana izany dia tsy miafina, indrindra, eny amin’ireo tambazotran-tserasera ny kiana maro samihafa, izay raha fehezina dia milaza hoe tsy misy afa-tsy izy mirahalahy ireo ve ? Niharihary nandritry ny fotoan-dehibe teo amin’ny finoana Katolika natao tany Vohipeno farany teo fa mbola mitana ny lohalaharana izy mirahalahy ireto eo amin’ny lafiny vahoaka mpanara-dia azy. Ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, aza moa dia hany tokana nodidinin’ireo Ampanjaka mihitsy. Midika zava-dehibe eo amin’ny lafiny kolontsaina sy fomba amam-panao any amin’iny faritra iny ity tranga farany ity raha ny tantaran’i Madagasikara mikasika izany foko Antemoro izany sy ny manodidina azy no iverenana atao jery todika. Ny zava-tsikaritra ankilan’izay anefa dia toa tsy hita be eny ihany ireo mpitarika politika hafa, tsy misy serasera, tsy mba hita amina hetsika na fivoriana, tsy re maneho hevitra momba ny raharaham-pirenena. Sa ve any anaty propagandy vao hamovokovoka

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT