Politique

Ravalomanana sy Rajoelina 15 taona nibahanana ny tontolo politika


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 dia efa tsy nisy teo amin’ny fitantanana ity firenena malagasy ity intsony koa ohatran’izay izany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izany

Ohatran’izay efa nifarana, araka izany, ny fibahanan’i Rajoelina sy Ravalo ny raharaha politika eto Madagasikara, raha vantanina ny resaka. Ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, dia lany fanindroany ny taona 2006. Vita izany ny fe-potoam-piasany ny taona 2011 ary tsy afaka nilatsaka intsony, raha toa ka nizotra tao anatin’ny lamina demokratika, araka ny famaritana iraisampirenena azy, tamin’ireny fotoana ireny ny toe-draharaha. Ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izay lany ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny taona 2007 raha atao hoe nety nandimby azy tamin’ny alalan’ny fifidianana ara-demokratika ka notombanana ho nanao taom-piasana miisa 2 ihany koa dia mety efa tsy afaka milatsaka intsony koa ohatran’izay, raha tsy sanatria hoe nanova lalàmpanorenana nampetipety azy avy angaha ny fitondrana mety ho notarihin’izy mianaka. Ankehitriny, potika ny firenena, ary isan’ny saika matoan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpamakafaka sy mpanao politika maro momba izany ny adin’izy mirahalahy ireto tsy mety mifarana. 15 taona izany izao no nifampitady teo amin’ny sehatra politika i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina , ary na aiza na aiza eto Madagasikara dia mahalala ireo anarana ireo . Niteraka ady hatrany anaty fianakaviana noho ny firehan-kevitra tsy mitovy nitarika fifanenjehana. Ho avy indray ity ny fifidianana Filoha dia mbola hifanandrina indray ve izany izy mianaka , hoy ny tombatomban’ny mpanaraka raharaham-pirenena, raha toa ka noheverina hoe tamin’ny 2018 no ady farany tokony nifanazavan’ny roa tonta. Tena mpifanandrina politika marina ve sa vazaha mody miady araka ny fitenenana, hoy koa ny fanontaniana hafa matetika ? Efa nivoaka mihitsy aza moa avy amina mpanao politika sasantsasany ny fehezanteny hoe : mpifamelona ara-politika i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ka tsy mahazo aina ny iray raha tsy eo ny iray . Ho hita eo indray ny ho fisehony manaraka e !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT