Politique

Ravalomanana sy Rajaonarimampianina Andrasana hanao fanambarana goavana anio


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Hita ho tafahaona sy tafaresaka teny amin’ny foibem-pirenena momba ny teny an’ny Akademia malagasy eny

Tsimbazaza omaly ny filoham-pirenena teo aloha mirahalahy, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, nandritry ny fifanakalozana manokana mikasika an’I Madagasikara sy Frantsa ary ny ranomasimbe indianina. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha 100 taonan’ny Akademian’ny siansa aty amin’ny fari-dranomasintsika na “Académie des sciences d'outre-mer” moa izy ity, raha ny fanazavana. Nanotrona izany koa ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois. Fantatra fa hisy amin’ity anio ity ny fanambarana hiarahan’ireo depiote nanasonia ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy ny governemantany eny Ambohimanambola. Voalaza ihany koa fa andrasana hanotrona izany ireto filoham-pirenena teo aloha ireto. Andrasana hanao fanambarana goavana ihany koa, noho izany, izy ireo anio.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT