Mibaribary izao fa dia miverina indray ny hasomparana sy antsojay atao amin’i Marc Ravalomanana sy ny orinasany tahaka ny natao tamin’ny fitondrana tetezamita.
Tsy avela hisokatra ny orinasa, mipoitra tampoka avy any ny dosie, misy mirehitra tampoka izany ny ala manodidina ny orinasa tahaka ny tany Sambaina. Ny trosa foana no asesika, mahagaga anefa fa tsy miresaka na dia indraim-bava momba ny fanapotehana sy fandrobana ny Tiko ny manampahefana. Efa fantatra tsara anefa fa tena nisy andian’olona naka ny entan’ny Tiko, raha tsy hitanisa afa-tsy ny teny Tanjombato sy Ankorondrano ary ny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy mpanao politika fanta-daza amin’izy ireo, manampahefana nandritra ny tetezamita ary mbola misy anaty fitondrana mihitsy ny sasany amin’izao fotoana. Mahafantatra tsara ireny tranga rehetra ireny ny filoha Rajaonarimampianina satria minisitry ny vola naharitra indrindra tao anatin’ny tetezamita ny tenany. Avela hiriaria ve izany ny mpangalatra sy mpandroba fa sakanana sy hanaovana toetra tsy zaka ny olona hamorona asa ho an’ny Malagasy ary hanandratra avo ny vita Malagasy ? Tsy efa mazava ve ankehitriny fa tena misy ireo andian’olona mandany ron-doha hamotika an’i Marc Ravalomanana sy izay zavatra natsangany. Efa nanao izany izy ireo nanomboka tamin’ny 2009 ary io mbola manohy io ihany ka asa na hitazam-potsiny izany ny filoha Rajaonarimampianina na mba ho tonga saina ihany ka handray fanapahan-kevitra hendry ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy fa tsy hanaiky hofahanan-dalatra ao an-dapa ao fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.