Politique

Ravalomanana Marc tao Toamasina «Navoakan’ny ‘Amnesty International’ ny marina»


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

Nitafa an-tariby mivantana tamin’ny vahoakan’i Toamasina Atoa Marc Ravalomanana, ny sabotsy 08 oktobra tolakandro teo, tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.

 Nambarany fa “afa-baraka mihitsy ny firenena Malagasy sy ny mpitandro filaminana ary na tafika Malagasy amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona nataon’io fitondrana tetezamita io. Izy natao hiaro ny marina sy ny vahoaka ary ho an’ny tanindrazana no mamoa-tsampona tsy manaja izany, hany ka naderaderan’ny olona eran’izao tontolo izao ny tena zava-misy marina ao Madagasikara”. Nomarihan’Atoa Ravalomanana ihany anefa fa “soa fa tsy izy rehetra tsy akory no manao izany, fa ireo milaza azy ho lehibe noho ny fitiavam-boninahitra sy tombontsoa”. Nolazainy hatrany fa “mangataka ny fanafoanana ny FIS sy ny DST ary hanasaziana ireo mpitandro filaminana sy ny tafika vitsy tsy nanaja ny zon’olombelona ankarihary io, ny Amnesty International”.

Raha ny teo amin’ny resaka politika sy ny dia nataon’ireo vondrona 8 tatsy Afrika Atsimo, dia nolazain’Atoa Marc Ravalomanana hatrany fa “mametraka planina maty paika amin’ny fampiharana ara-bakiteny sy araka ny tena hevitry ny tondrozotra iny ny Troika sy ny Sadc amin’izao fotoana izao. Izay no nahatonga ny Troika nampiantso ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Zafy ary ny vondrona Monima/Uamad, mba hihaino sy hijery ny tatitry nataon’ny V8 ary hanambarana ny fehi-kevitra horaisin’ny Troika sy ny Sadc momba ny fampiharana ny tondrozotra, tsy hisian’ny fandikana vilana ataon’ny V8 ankehitriny”. Nilaza ny hanambara vaovao lehibe amin’ity herinandro ity koa Atoa Ravalomanana, araka ny hafatra natao tao Toamasina ny sabotsy tolakandro teo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT