Politique

Ravalo sy Rajao “Tsy nisy fifanarahana ho an’ny 2023 izany…”


  • Talata 20 Desambra 2022

Herinandro teo ho eo izay no niparitaka ny resaka, niainga tamin’ny lahatsoratry ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence,

izay nilaza fa nanao fifanarahana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina iray volana lasa izay hoentina mandresy an'i Andry Rajoelina amin'ny fifidianana 2023. Voalazan’ny Africa Intelligence fa i Hery Rajaonarimampianina no ho kandida atolotra ary i Marc Ravalomanana kosa no hisafidy izay ho Praiministra aorian’ny fifidianana raha lany soa aman-tsara. Hisy ny fifanarahana eo amin’ny roa tonga izay hosoniavina tsy ho ela, hoy hatrany ity Africa Intelligence ity. Nivoaka tamin’ny fahanginany kosa ny HVM nandritra ny fanambarana niraisan’ny RMDM tetsy Bel’Air omaly, ka nandiso tanteraka an’io. Nambaran’ny Loholona teo aloha Randriamanantsoa Jafetra izay ao anatin’ny Birao politikan’ny HVM fa ao anatin’ny RMDM ny HVM, mpikambana feno, ary fototra niaingana ny niaraka nonolotra sy nananganana ny fanoherana. Mpanohitra ny RMDM ary tsy hitoraka voninkazo mihitsy ho an’ny fitondrana. Nambarany kosa fa maro loatra ny zavatra mandeha, tonga hatramin’ny fampiadiana, ka iarahana ao anatin’ny RMDM fa mpanohitra, ary miara-dia amin’ny mpanohitra rehetra ny HVM. Nahitsy kosa anefa izy nilaza fa tsy mitady fiaraha-mitantana, tsy mitady fidirana ao anatin’ny fiaraha-mitantana ny HVM. “Misy ny resaka miparitaka, misy hatramin’ny hoe fifanarahana teo amin’Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Hery Rajaonarimampianina. Ny fifampiresahana dia misy ary miresaka foana ireo olon-dehibe izay mpitarika politika roa ireo fa ny fifanarahana kosa dia tsy misy an’izany. Fomba fiadin’ny kanosa ireny zavatra tsy marina ireny, ka teneninay ianareo kanosa fa tena matahotra tokoa ny fiarahan’ny fanoherana ka manely an’ireny”, hoy ny Loholona teo aloha Randriamanantsoa Jafetra. Nohamafisiny fa tsy misy an’izany fifanarahana izany, fa kosa ny fifampiresahana dia misy, ny zavatra rehetra atao anatin’ny RMDM dia ifampiresahana daholo, ary tanjona iray no iarahana eto amin’izao fotoana izao dia ny fiarahana ao anatin’ny fanoherana. “Ny aoriana mbola tsy fantatra izany, fa ny zava-dehibe dia ny fitoviam-pijery dia tsy manaiky an’izao fitondrana izao. Na inona na inona ihany koa ataon’ny mpanohitra, misy ny misababaka eo, ny fifampiresahana dia azo atao, fa mifanitsy amin’izay tsanga-kevitra sy fototra ary tanjona niarahana ho an’ny RMDM”, hoy izy. Nambarany noho izany, fa fanakorontanana, ary entina handravana ny tolona sy ny zavatra rehetra atao anatin’ny RMDM ny fivoizana zavatra tsy mitombina. Aleo hazava ny fifampiresahana fa izahay tsy mba olona kanosa fa rehefa hifampiresaka aminay dia mifanatrika fa tsy any anaty tambazotra no mifanaratsy, hoy ity loholona teo aloha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT