Ho avy ny fanapahan-kevitra, rehefa tonga ny fotoana mahamety azy. Tsy maintsy angatahina amin’Andriamanitra izany fa ny zava-dehibe amiko aloha izao dia ny fandraisana ny Papa, hoy i Marc Ravalomanana raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny mety ho firotsahany ho ben’ny tanànan’Antananarivo omaly.
Manoloana ny raharaha nafampana momba ny fanenjehana mpanao gazety, izay handalo fitsarana ny 16 septambra ho avy izao, dia efa mazava ny tenin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, hoy izy. Tokony ho fantatry ny vahoaka Malagasy ary fantatry ny firenen-drehetra maneran-tany fa ny mpanao gazety no mampita ny zavatra misy. Amin’ny maha olombelona azy anefa, tsy voatery ho marina na mety daholo ny ataony. Raha misy ny tsy mety dia hainy ny manao “démenti” ny tsy nety nataony. Izao tsy nahita hoe misy zavatra tsy mety satria nilaza ny marina izy. Na inona na inona ary na iza na iza dia tokony hahatsapa tsara fa izany renivohitr’i Madagasikara izany manana ny maha izy azy, ka ny ben’ny tanàna no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatsarana, fanamboarana, famoronana, fandaminana. Noho izany mila miasa miaraka isika, mila mahafantatra ny zavatra niseho ary tsy maintsy lazaina ny marina. Rehefa milaza ny marina ianareo dia sarotra ny miady amin’izany, hoy izy mantsy ny mpanao gazety. Ny lazain’ny lalàmpanorenana dia izay mahazo vato be indrindra aorian’ny fitondrana amin’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara no lehiben’ny mpanohitra. Tsotra kely izany, na iza na iza milaza fa tsy izy aho, rehefa mpanohitra aho dia mpanohitra satria izaho sy ny TIM no nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana filoha sy ny fifidianana solombavambahoaka, hoy i Marc Ravalomanana manoloana ny adihevitra hisakanana azy tsy ho lehiben’ny mpanohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.